Hofanomezana tosika ireo mpandraharaha noho ny fahavoazana nahazo azy ireo tamin'ireny krizy ara-pahasalamana ireny, sy ho fanarenana ny toe-karena amin'ny ankapobeny, dia nametraka ny "plateforme digitale" na ny tabazotran-tserasera ara-barotra ny FIVMPAMA, na ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy...

Talata 2 febroary 2021 — Fankalazana manetriketrika ny nalorona ny Tompo — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40

Misy sela mamokatra ny "insuline" hita ao anatin'ny sarakaty. Ny "insuline" no tsy misy na tsy ampy amin'ny olona iray no mampiakatra ny tahan'ny fatran'ny siramamy anatin'ny vaton'olombelona iray, io tranga io no lazaina hoe "diabeta". Misy karazany roa ny diabeta ka ny "Type 1" dia ny zaza no voakasika, ny "type 2" dia makasika an'ireo 40 taona no miakatra. Ho an'ireo olona mararin'ny diabeta izany dia ezahana lanjalanjaina amin'ny alalan'ny fanafody ny fatran'ny siramamy anatiny... 

♦ Nitatitra ny asa vitany nandritra ny taona 2020 ny Ceni... ♦ Nanameloka ny zava-nitranga tao amin'ny kaominina Besakay, distrika Ambatondrazaka ny teknisian'ny rano sy ny ala... ♦ Toetry ny andro : misy fiforonana rivo-doza miha-manantona an'i Madagasikara arahi-maso indray ao amin'ny ilany atsinanan'ny fari-dranomasina misy antsika... 

Maherin'ny sivy alina ireo "doublons", na anarana niverimberina tao anaty lisi-pifidianana nampiasaina tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny 2018, hoy ny tatitry ny CENI androany. Maherin'ny efatra alina kosa ireo laharan-kara-panondro mitovy, izay nanaovana fanitsiana...

Alatsinainy 1 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20

♦ Niroso, nihatsara ny laharan'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly, raha tany amin'ny faha-158 no nisy antsika amin'ireo firenena 180 tamin'ny taona 2019, dia niroso ho laharana faha-149 tamin'ny taona 2020... ♦ Miroso tsikelikely ny fanarenan'ny BNGRC ny fahavoazana tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Eloïse, ny sekoly moa no tena isan'ny lasibatra tamin'izany...

Alahady 31 janoary 2021 — Alahady  fahefatra mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe : "Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana ? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý." Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

Tamin’izany andro izany : nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina ; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany." Dia hoy ny mpianany namaly Azy : "Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra ?" Ary Izy nanontany azy hoe : "Manana mofo firy ianareo ?" "Fito", hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana ; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe : "Efeta, izany hoe, misokafa." Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : "Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony. Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy. Fa hoy Izy taminy : "Aoka ho voky aloha ny zanaka ; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa." Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe : "Marina izany, Tompoko, kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany." Ary hoy i Jesoa taminy : "Mandehana, fa noho izany teny izany, dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony." Nony tonga tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara fa efa nialan’ny demony.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...