Alatsinainy 15 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny Vavanao.
♦ Hafindra toerana ny fananganana ny tetik'asa Tanamasoandro saika hatao tao Ambohitrimanjaka sy ny manodidina... ♦ Mitohy ny sehatr'asan'ny Toby Akamasoa amin'izao hamehana ara-pahasalamana izao... ♦ Mitaraina ny olona manana fahasembanana fa atao ankilabao izy ireo mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao...
11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.
Ny tsy fahatokisanao tena no mahatonga ny sakana misy aminao. (10-06-2020)
♦ Mitombo ny tahan'ny fahasitranan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. Tafakatra 25% amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola tonga any amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, na ny Birao maharitra hatramin'ny omaly ny fikasana fandravana na fanonganana azy ireo... ♦ Nankalaza ny Andro Eran-tany ho an'ny ronono omaly ny teo anivon'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono...
♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny Coronavirus teto Madagasikara, 10 izany izao ireo namoy ny ainy vokatr'izany valan'aretina izany... ♦ Tany Tchad, 34 ireo olona narary mafy nitondra ny tsimok'aretina Cornavirus, sitrana soa aman-tsara noho ny fampiasana ny Covid Organics fotsiny... ♦ Tsy mbola tonga any amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, na ny Birao mahatitra aloha hatramin'ny androany ny amin'ny hoe fiksaana fandravana na fanonganana azy ireo...
10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.
Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.
♦ I Mompera Bizimana Innocent no voatendry hitantana ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maurice manomboka izao ary haharitra enin-taona... ♦ Tokony hametraka paik'ady hitsinjovana ny sosialim-bahoaka eto amintsika ny fitondram-panjakana manoloana ny fahavoazava ateraky ny ady amin'ny Covid-19 hoy ny CFM...
♦ Nitombo 44 indray ny isan'ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, araka ny tarehimarika omaly... ♦ Mitohy hatrany ny tatitry ny asa vita ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta eo anoloan'ireo Solombavambahoaka... ♦ Miara-miasa amin'ny orinasa JIRAMA amin'ny fanamorana ny fahafahan'ny mpanjifa mandoa ny faktiorany ny banky BOA Madagasikara...
♦ 44 indray ny tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Isan'ireo lalàna navaozina teto amintsika ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra, ny lalàna mifehy ny serasera... ♦ Làlampirenena maromaro no amboarina amin'ity taona ity raha ny nambaran'ny Ministry ny Fanajariana ny tany sy Asa vaventy...
Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco