Talata 1 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17

Tena ara-bakiteny ilay fomba fiteny hoe mpijoko voajoko ireto mpanohitra an’i Jesoa raha naniraka olona hamandrika Azy hoe : "Ry Mpampianatra ô, … mety ve sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara : handoa izahay sa tsy handoa ?". Valinteny mahafapo sady mafonja ary matotra no nasetrin’i Jesoa azy ireo hoe : "Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ; ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra". Ary raha apetraka amintsika amin'ny saina tsy miangatra tokoa moa izany ny fanontaniana hoe iza no ambony Sezara sa Andriamanitra ? Tena apetrak’i Jesoa eo amin'ny tena toerantsika tokoa isika olombelona. An’Andriamanitra manontolo isika satria Izy no nahary antsika tongotra aman-tanana ; ary izay no mahatonga antsika hoe tsy tompon’ny tenantsika sy ny fiainantsika isika satria Izy tokoa no tompon’ny fiainantsika satria efa nataony mitovy endrika Aminy isika.

Ry havana, amin'ny maha olombelona antsika eo amin'ny fiainana dia manana adidy ara-panahy isika amin'ny ara-panahy sy ara-nofo. Raha tsorina dia hoe tsy ara-nofo ihany isika fa ara-panahy ihany koa ka tsy afa-misaraka na rahoviana na rahoviana izany, fa izay no maha isika antsika ka ananana adidy izany. Ny adidy tokoa tsy an’olon-dratsy, hoy ny fitenenana, ka ampirisihan’i Jesoa isika hanefa ny adidy ara-nofo sy ny adidy ara-panahy satria tsy afa-misaraka ireo ary tsy mifanipaka fa mifameno. Ny antony dia satria isika sady olon’Andriamanitra no olon’ny fiaraha-monina, miaina eo anivon’izao tontolo izao. Aoka anefa ho ankitsipo, araka izay fahafahana sy ny manandrify ny tena ny tsirairay, satria heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy fanatanterahana an’izany araka ilay vavaka fiampangan-tena fanaontsika hoe : "fa nanota tokoa tamin'ny hevitro sy tamin'ny teniko sy tamin’ny nataoko ary tamin'ny adidy tsy vitako…"

Jesoa Tompo ô, enga anie izahay hifaninana hahafoy am-pitiavana fa "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray" (Asa 20, 35). Ka ho tanteraka aminay ilay hira fanaonay hoe: "Izay manome sy mizarazara ny kely an-tanany ho an’ny hafa ; mihary lova soa izay tsy mba mety simba, mba sambatra e zay mitia manompo tsy mitady ny ho tompoina e, mba sambatra". Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...