Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...
Talohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola nisy sy tsara ny ala malagasy sy voajanahary, saingy taty aoriana dia nihasimba izany ary nosoloana hazo vahiny. Azo atao tsara ny mamerina ny farira maina ho maitso amin'ny alalan'ny fambolena ara-biolojika. Isan'ny hazo malagasy ny orchidé, ny rotra, ny apalibe...
♦ Ny lalàna velona eto amin'ny firenena no tokony ampiharina amin'ny fametrahana ny mpanohitra amin'ireo toerana natokana ho azy amin'ireo andriampanjakàna isan-tsokajiny... ♦ Efa tonga eto Antananarivo nanomboka omaly ny ampahany amin'ireo vary 7.000 taonina nafaran'ny fanjakàna...
Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana eto amn'ny firenena hoy ny Praiministra, omaly nandritra ny famoriany ireo tompon'andraikitry ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Handray ny andraikiny ny EMO National manoloana izany, hoy izy...
♦ Mampihena ny risipon'ny mpiasan'ny fahasalamana ny fitaovana ampiasain'izy ireo ihatrehana ny valan'aretina Covid-19. Tsy mbola nisy hoy ny sendika 6FM ny fampitaovana vaovao ho azy ireo... ♦ Mailo amin'ny firongatry ny tsimokaretina Coronavirus eto an-drenivohira ny ao amin'ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, na ny ATT...
♦ Mpianatra am-polony voasambotra, mpitandro filaminana telo naratra, vokatr'ilay korontana, nifandonan'ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana tao amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Tsy misy ny fampiasàna seza afovoany anaty fiara fitanteram-bahoaka eto Antananarivo...
♦ Nifandona indray alina ny mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana sy ny mpitandro ny filaminana. Nirefodrefotra ny basy sy ny baomba mandatsa-dranomaso... ♦ Tsy laharam-pahamehana ny resaka fanadihadiana parlemantera nataon'ireo loholona teo aloha, fa ny asa fampandrosoana no mahamaika, hoy ny filoha vaovaon'ny Antenimierandoholona omaly...
♦ Miankina amin'ny dinika iarahana amin'ny mpanohitra ny fanendrena izay ho solontenan'izy ireo eny Anosikely, hoy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana, androany... ♦ Efa manamafy ireo fepetra fisorohana ny Covid-19 avokoa ny fianarana sy ny fiangonana ankehitriny...
Miantso ny fitondrana hitady vahaolana maharitra amin'ny ady taoa amin'ny kere any atsimo ny FFKM, omaly nandritra ny famaranana ny herinandron'ny vavaka fiombonana ho an'ny kristianina, sy ny famindram-pitantanana teo anivon'ny FFKM. Mitaky ny hanazavan'ny Governemanta ny fitantanana ireo fanampiana tamin'ny valan'aretina Covid-19 ihany koa ny FFKM...
♦ Miha-mitombo isan-kerinandro ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara 442 ny tranga vaovao teo anelanelan'ny 16 sy 22 janoary... ♦ Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fitokanana sy fametrahana ny vato fototry ny fotodrafitr'asa maro ao amin'ny diosezin'i Toamasina. Isan'ny nisongadinany fitokanana ny radio televiziona katolika masova... ♦ Tonga omaly ao Toamasina ny vary milanja 7.000 taonina nafaran'ny fanjakana. Amidy 500Ariary ny kapoaka...
♦ Ho tanterahana ny 13 marsa hatramin'ny 15 marsa ho avy izao ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Hiezaka hanitsy ireo fomba famaritana tsy dia tsara mahakasikany tandroy ny fikambanana Sahiry... ♦ Niakatra fampanoavana omaly kosa ireo olona 6 tratehaka tamin'ny fandrobàna ny biraon'ny kaominina Mahaiza...
Ny sampana mitsabo ny fararian'ny taolana dia tafiditra amin'ny fitsaboana tsy mampiasa afatsy tanana. Ny tanana no hitsapana ary ny tanana ihany no hoentina mitsabo, tsy mampiasa menaka. Ny aretina azo tsaboina eo anivon'io sampana io dia izay rehetra mifandray amin'ny taolana : Ozatra, nofo, taova, taolan-damosina, andilana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco