Alahady 30 mey 2021 — Ny Trinite Masina — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20

Fianakaviana miaina am-pitiavana lavorary Andriamanitra, hoy ny foto-kevi-dehibe omen’ny Eglizy hiainantsika amin'ny izao alahadin’ny Trinite Masina izao. Raha vao miteny hoe Trinite Masina isika dia ireto zavatra roa fanaontsika matetika ireto no mifantsika ao andohantsika :

  • Voalohany dia ny famantaran’ny Hazofijaliana izay aseho amin'ny alalan’ny teny sy fihetsika miaraka ;
  • Faharoa dia ilay fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra Trinite Masina hoe: "Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina!"

Ry havana, ny teny hoe Trinite dia teny tokana entina hilazana ny Mistery misy ao amin'Andriamanitra ; na koa hoe Mistery momba an’Andriamanitra. Izany hoe zavamisy momba an’Andriamanitra nefa tsy takatry ny sain’ny olombelona ary tsy azo porofoina ara-tsiansa ny fisiany. Porofon’izany i Masindahy Augustin, anisan’ny olomasina goavana mpikaroka nandalina sy nandinika naharitra ny hoe Trinite Masina fa niala maina ary vaky vava hoe "Hay manam-petra isika olombelona ka tsy hahatakatra velively an’Andriamanitra tsy manam-petra".

Ankoatra izay dia harem-pinoana tsy voahozongozona ao amintsika ny fifandraisana misy eo amin'ny Trinite Masina. Eo ny fifandraisana ny maha izy azy, izany hoe ny Ray tsy ho Zanaka ary ny Zanaka tsy ho Fanahy Masina. Fa eo koa indrindra indrindra ny fifandraisana eo amin'ny fiombonana vao mainka manamafy, izany hoe raha eo ny Ray dia eo mandrakariva ny Zanaka ary eo mandrakariva ny Fanahy Masina. Porofon’izany ohatra ilay Batemin’i Jesoa tao Jordany : Ny feo nanakoako avy ao amin'ny rahona no nanambara ny fisian’Andriamanitra tamin'ny iny ; Jesoa ilay hatao Batemy no efa Zanaka rahateo ; ary ilay Voromailala no endriky ny Fanahy Masina…

Hamaranana azy àry, dia hoe aoka isika hivavaka amin'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina sady hanao famantaran’ny Hazofijaliana miaraka amin'izany. Satria tsy misy tsara noho ny fianakaviana miray aina e ! Tsy misy tonga lafatra noho ny miombom-pitiavana toy ny Trinite Masina ! Mifanohitra amin'ny fomba manandrify antsika olombelona ny toetra miolonolona ; fa natao ho amin'ny fiombonana isika. Noarin’Andriamanitra isika mba hiara-monina ety an-tany ety ao amin'ny Trinite Masina.

Hisaorana anie ny Trinite Masina tsy azo sarahina ankehitriny sy mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...