Alarobia 2 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27

Resaka momba ny fitsanganana amin'ny maty no votoatin’ny Vaovao Mahafaly androany. Izay indrindra no itondran’i Jesoa fampianarana miainga amin'ny fanontaniana napetrak’ireo Sadoseana tamin'ny Jesoa mivantana.

Fa iza takoa moa ireo Sadoseana ? Ny Sadoseana dia karazana sekta iray natanjaka tamin'ny andron’i Jesoa, izay efa niforona tamin'ny taonjato faha-2 talohan’i Jesoa Kristy. Ny antony tsy mampino azy ireo ny fitsanganana amin'ny maty dia satria ny Boky dimin’i Moizy ihany no Baiboliny, na ilay antsointsika hoe Pentateoka. Tsy omena tsiny izy ireo raha tsy mino sy misalasala be ihany amin'ny fitsanganana amin'ny maty satria voafetra ihany ny fahalalany ara-tsoratra masina. Fanampin’izay ihany koa, tsy mba nahita an’i Jesoa nitsangan-ko velona, nandresy ny fahafatesana izay fototry ny finoana, izy ireo.

Ry havana, manararaotra mitondra fampianarana ho antsika tokoa i Jesoa androany fa tena misy tokoa ny fiainana ao aorinan’ny fahafatesana. Misterim-piainana izany satria asan’Andriamanitra irery ihany ka tsy takatry ny fahalalantsika olombelona velively araka ny tenin’i Masindahy Augustin izay hoe: "hay voafetra ihany isika olombelona manoloana an’Andriamanitra tsy voafetra". Ny Sadoseana izay nihevitra fa ny fahafatesana no tompon’ny teny farany na teboka farany amin'ny fiainan’ny zava-manan’aina rehetra ; izay nodisoin’i Jesoa tanteraka ka nabaribariny fa rehefa maty isika dia hanomboka fiainam-baovao mihitsy indray, izay misy fiovana tokoa araka ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly androany hoe : "fa ho tahaka ny Anjely any an-danitra izy…" ; ary manamafy izany ny vavaka prefasy amin'ny Absoute hoe: "miofo ny aina fa tsy levona".

Tsara ho marihana fa izany no antony hanaovana batemy antsika mba hisitraka izany fiainana any ankoatra miaraka amin'Andriamanitra izany. I Jesoa no santatra ho antsika amin'ny izany ary Izy ihany koa no nanomana izany ho antsika. Etoana àry, dia amporisihana isika hazoto hamaky sy handray ny tenin'Andriamanitra, handalina sy hamakafaka ary hiaina tsara izany fa tsy sanatria hihinana amam-bolony araka ny fomba fiteny, satria izay tsy mahalala ny Soratra Masina dia tsy mahalala an’Andriamanitra hoy i Masindahy Jérôme.

Rehefa mamarana ny fiekem-pinoana katolika moa isika dia milaza hoe "Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty sy ny fiainan-koavy" ; ary mbola hamafisin’ilay hira hoe : "raha ho tapitra aminay ity fiainana ity, ento izahay ho eo anilanao". Enga anie ry Jesoa, izay mbola anjara fiainanay ety ambonin’ny tany hanomananay ilay fiainana miaraka aminao rahatrizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...