Sabotsy 5 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44

Mizara roa mazava tsara ny lesona tsoahina avy amin'ny Vaovao Mahafaly androany.

Voalohany dia ny fampianaran’i Jesoa mipaka mivantana amin'ireo mpanora-dalàna, izay tia miseho ivelany sy tia deradera. Ny mpanora-dalàna tokoa mantsy dia sokajin’olona tena manam-pahaizana manokana momba ny lalàna. Tsikaritr’i Jesoa ny ataon’izy ireo fa toa tsy mifanaraka loatra ny lazain’ny vavany sy ny ataony. Izany tokoa ilay mpitari-bato vilam-bava. Fanampin’izay dia ny fivavahana lavareny ataon’izy ireny indray aza no ataony fitaovana hambaboana olona fotsiny ka hanakonana ny ratsy atao. Mazava ny hafatra tian’i Jesoa hampitaina amin'ireo mpianany ary miantefa ho antsika ihany koa. Koa samia manana fanetren-tena, makà tahaka an’i Kristy Mpampianatra, izay tsy mba nitady voninahitra sy tsy mba nila dera fa nilatsaka ho mpanompo noho ny fitiavana, fa aleo hono, dakadaka toy izay dokadoka. Ary ho antsika izay mba manana andraikitra manokana ao amin'ny Fiangonana, tandremo sao atao fitaovana hisehosehoana ny fivavahana sy ny fisahanana andraikitra, fa aoka ny fitiavana vokatry ny fo no hibaiko amin'ny fanompoana satria ny adala no tsy ambakaina dia Andriamanitra mahatahotra.

Faharoa, rehefa nijery ny olona nandatsaka rakitra i Jesoa fahiny, satria tokoa ampahibemaso no nanatanterahana izany. Samy nandatsaka tao ny karazan’olona araka izay efa nomaniny avy. Raha tarafina ny tian’i Jesoa ambara dia tsy ny habetsahan’ny nalatsaka no mason-tsivana entin’i Jesoa hitsarana antsika, fa ilay fahafoizana ankalalahana ny ampahan’ny fiainana no zava-dehibe ho Azy. Entanin’i Jesoa isika mba halala-tanana fa izany no tsy ampy amintsika amin’izao. Tadidio fa izay entintsika manohana ny fiainam-piangonana ireny anie ka avy Aminy ihany, ka izay rehetra mahafoy ho an’ny Fiangonana dia vao mainka aza Izy manome mihoatra ary tena mitsodrano ny fiainantsika.

Miomana hankalaza ny fetin’ny Sakramenta Masina isika ankehitriny, miombona amin'ny Fiangonana manontolo ; koa hoderaina hatraiza hatraiza anie Jesoa Kristy ao anaty Eokaristia. Ny tenanay, ny Nosinay aoka hanjakany mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...