Alakamisy 3 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

Hoy i Masindahy Joany hoe: "mandainga izay milaza fa tia an’Andriamanitra nefa mankahala ny rahalahiny". Tena marina zato isan-jato izany, ary tsy isalasalana satria mifampiankina sy mifameno ny mitia an’Andriamanitra sy ny mitia ny namana. Tsy mifanipaka akory ireo ary tsy afa-misaraka satria mamintina ireo didy maro be voasoratra ao amin'ny Testamenta Taloha. Hamafisina tokoa fa tena mazava tsara ny valin-teny nataon’i Jesoa an’ireto mpanora-dalàna, fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no didy lehibe indrindra izay nomen’Andriamanitra mba hiainan’ny zanak’olombelona, ary nolazain’i Jesoa aza fa didy tokana satria samy mirakitra fitiavana izay lalana mitondra antsika mankany amin'ny fanjakan’ny lanitra.

Etsy andaniny, mba hanehoana ny fitiavana an’Andriamanitra dia antsoiny isika hitia Azy ambonin’ny zavatra rehetra. Eo amin'ny fiainana andavanandro tokoa mantsy dia heno matetika hatraiza hatraiza ilay fomba fiteny hoe: "tsy matahotra an’Andriamanitra". Azo adika arak’izany fa ny tsy fatahorana an’Andriamanitra dia tsy fananana fitiavana Azy. Noho izany dia tokony omena laka ka atao toy ny jiro manazava sy aina mamelona ny maha olona manontolo antsika dia saina, fo, fanahy.

Etsy ankilany, antsoina koa isika isan’andro hiaina ny fitiava-namana. Ny hafa sy ireo manodididna mifanerasera amintsika ihany no endrik’Andriamanitra hita maso amin'ny maha zanak’Andriamanitra azy. Raha akapoka amin'ny teny tokana dia hoe ny fitiavantsika ny hafa na ny namana, izany hoe ny fifankatiavantsika no porofo velona maneho ny fitiavantsika an’Andriamanitra ; ka izay no maha iray ireo adidy ireo.

Ao antranonao ry Jesoa be fitia, no onenanay anio sy ho doria. Ny fitiavanao re manenika ny tena, izay matoky anao mandoso tsy mivena. Ka tretrika ny fo fa sambatra tokoa. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...