Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 24, 15-24)
Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao,
amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao;
nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty.
Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao,
aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”
Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho,
ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko;
ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
Ka hoy ny olona tamiko:
“Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?”
Dia izao no nolazaiko tamin’ireo:
“Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina,
ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo
ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo,
izay nilaozanareo.
Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao:
tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo,
tsy hidradradradra na hitomany,
fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo,
ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
I Ezekiela no famantarana ho anareo;
izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany;
dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21
Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany.
Fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy Izy namaly azy:
“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.”
Dia hoy izy hoe:
“Didy inona avy?”
Dia hoy i Jesoa:
“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy ilay tovolahy taminy:
“Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Ohabolana (Ohab. 9, 1-6)
Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary namboatra ny latabany.
Naniraka ny ankizy vaviny izy,
dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:
“Aoka hiditra aty izay kely saina!”
Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:
“Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;
ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny,
fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona:
ny manana no tonga mahantra sy noana,
izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny lela ambeno amin’ny ratsy,
ny molotra aoka tsy hamitaka;
ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao;
ny fiadanana katsahina sy ilofosana.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 1 5-20)
Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo,
aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany;
fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho;
ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra,
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:
“Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?”
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra:
Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nankalaza ny andro Afrikana ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara omaly, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajàna ny zon'ny vehivavy no nentina nanamarihana izany teny amin'ny NovoTel Alarobia... ♦ Manokana andro roa ifampiresahan'ireo mpisehatra samihafa momba ny harena ankibon'ny tany tompon'andraikitra ny fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD. Atrik'asa tanterahana eny amin'ny Hotel Carlton Anosy nanomboka omaly... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM komity iraisan'ny mpiasa Malagasy ny Randrana sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa Malagasy...
Ny Testamenta Taloha dia mizara 4 : Pentateoka, ny bokin'ny tantara, Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena ary ny Mpaminany ; ka ny Salamo dia ao amin'ny sokajy fahatelo izany hoe ao amin'ny hoe "Boky mirakitra tononkalo sy fahendrena". Isan'ireo boky fahendrena ny Salamo ka natao hampitana fahaiza-manao sy traikefa. Andriamanitra no mpanoratra ny Baiboly fa miara-miasa aminy ny olombelona. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Nankalaza ny andro Afrikanina ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara androany, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajana ny zon'ny vehivavy, no nentina nanamarika izany tao amin'ny Novotel Alrobia... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM, Komity Iraisan'ny Mpiasa Malagasy, ny Randrana Sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa malagasy... ♦ Tranga vaovao mbola tsy fahita tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo, ny famonoana zaza varira, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...
♦ Natokana ho fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny pôlisin'ala sy ny pôlisin-drano mpiaro voalohany ny valan-javaboahary amin'ny faritra arovana ny 31 jolay... ♦ Isan'ireo firenena folo maneran-tany voakasika indrindra amin'ny fahatarana ara-pitomboana ary amin'ny laharana faharoa amin'ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika Atsinanana sy Atsimo i Madagasikara... ♦ Sakana mampihemotra ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara ny lafiny fitanterana, ny fandriam-pahalemana ary ny olan'ny famatsiana herinaratra... ♦ Maty nandritra ny fanafihana nitranga tany Téhéran androany ny lehiben'ny vondrona Islamika Palestiniana Ismaïl Haniyeh sy ny mpiambina manokany iray...
Zava-dehibe ny andraikitry ny raim-pianakaviana, manana ny lanjany amin'ny lafiny fanabeazana ny zanany sy ny fiahiana ny ankohonana, ny lafiny ara-pahasalamana. Toetra tsara ananan'ny raim-pianakaviana, ny toetra amam-pihetsika mahatarika, mba haresy lahatra ny fiaraha-monina afahana mampivoatra ny sehatra misy azy ireny. Ny raim-pianakavina dia fitaratra sy ohatra eny amin'ny fiaraha-monina, mpandala ny firaisan-kina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nidina an-dalambe nandoro kodiarana sy nanapaka làlana indray omaly ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona, nandrava ny hetsika tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso ireo mpitandron'ny filaminana... ♦ Notoloran'ny filohan'i Guinée Bissau ny mari-boninahi-pirenena ambony ao aminy, ny filoha Rajoelina Andry omaly... ♦ Nahitana fitomboany ny vonjy voina nataon'ny sampana mpamonjy voina ao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny enim-bolana voalohan'ny taona 2024 raha mitaha tamin'ny taona 2023... ♦ Any Royaume Unis : Namoy ny ainy taorian'ny ratra nahazo azy ilay tovovavikely isan'ireo niharan'ilay fanafihana tao amin'ny toerana fianarana mandihy tao South Port - Angleterre...
Ny Salamo dia vavaka satria nosoratana tao anatin'ny tontolon'ny vavaka sy ny tempoly. Amin'ny ankapobeny dia maro ireo milaza fa i Davida no nanoratra ny Salamo manontolo satria, izy dia poeta sady mpamorona no mpihira ihany koa, izy ihany koa dia manana talenta hikoizana amin'ny resaka zava-maneno, ary anisany tena tia vavaka. Mankafy ny midera sy mankalaza an'Andriamanitra i Davida... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...
♦ Mety ho mbola tsy ho amin'ity herinandro ity indray ny hitsanganan'ny governemanta vaovao. Mangina tanteraka ny momba izany, 20 andro taorian'ny namerenana ny praiministra amin'ny toerany... ♦ Misy tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana Bakalôrea ireo mpampianatra sasany. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana taratasy fanekena, ka nisy ireo tsy niroso tamin'ny fitsaràna, omaly... ♦ Tantsambo malagasy 60 isa no mbola tavela any Kômôro hatramin'izao noho ilay fepetra fisorohana ny fidiran'ny aretina Kôlera tany Mahajanga. Mitaky ny hampodiana azy ireo ny fianakaviany... ♦ Raikitra ny hetsi-panoherana ny voka-pifidianana any Venezuella, taorian'ny filazàna ny nahalany ny filoha Nicolas Maduro...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco