Ireo tombontsoa angatahina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika, hany mpanavotra sy Mpamonjy antsika, dia aoka ny vavak'Izy ireo sy ny heriny ary ny fanampiany no hidodododoantsika. Eo amin'ny Olomasina Izy Andriamanitra no miteny amintsika sy manondro ho hitantsika ny Famantarana ny Fanjakany, izay itambaran'ny vavolombelona zavontany... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy maintsy fantatry ny tsirairay ny fomba fiasan'ny vatana satria izay no hafantarana ny mety ho tranga ny fahasalamana, raha toa ka mihataka amin'ny mahazatra ny asany. Ny fahasalaman'ny tsirairay no tonga ho fahasalamam-bahoaka, noho izany dia samy tompon'andraikitra amin'ny fahasalamany ny tsirairay. Ny saina, vatana, fanahy dia tokony hitoetra ao anatin'ny fahasalamana daholo... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tao anatin'ny 9 volana no nitondrana famelabelarana nahafahana niresaka ny " fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka". Ny fihavanana dia isan'ireo Soatoavina Malagasy, fototra iray afahana mampianatra ny zanaka, mikasika ny fiaraha-monina. Ny fampandraisana andraikitra ny ankizy ao an-tokantrano sy any an-tsekoly dia mifameno, mahasoa ny fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Rehefa tena mivavaka isika dia tsy lavitra antsika ny Olomasina. Ny fampianaran'ny Konsily no milaza ao amin'ny Foto-pampianarany momba ny Fiangonana fahazavan'izao tontolo izao, laharana faha-50 manao hoe : satria manko eo am-pahitana ny fiainan'ireo nitozo nanaraka an'i Kristy isika, dia tojo antony manatombo hitadiavany an'ilay Tanàna ho avy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.
08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.
07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.
06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.
05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.
04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco