Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Tafiditra tao Ambohijatovo androany tolakandro ny mpanao fihetsiketsehana. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo avy eo... • Nozimbazimbain'ny mpitandro ny filaminana indray ny asa fanaovan-gazety androany. Fanahiniana nopotehana ny fitaovana nampiasain'ny mpanao gazety sasany teny an-kianja io takariva io... • Nisokatra ofisialy tamin'ny 7 marsa 2025 teo ny famotorana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, nandika ny Lalam-panorenan'ny Repoblika Fahefatra, manan-kery amin'izao fotoana izao, hoy Andriamatoa Razafimandimby José, Filohan'ny Fikambanana Fiverenana Andoharano...

♦ Efa miroso amin'ny famahana olana mikasika ny famatsiana ny herinaratra eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna ankehitriny, hoy ny filoha Andry Rajoelina alina, raha nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Tsy tokony averina amin'ny governemanta izay hitsangana eo ireo ministra teo aloha efa tsy nahomby, ary tsy tokony ho goaika antitra pôlitika ihany koa no handrafitra ny governemanta vaovao, fa olom-baovao mihitsy satria tsy lany olomanga isika hoy ny mpandinika pôlitika... ♦ Ahemotra amin'ny 11 novambra izao indray ny raharaham-pitsaràna an'i Rakotoarisoa Babà sy Clemence Raharinirina...

Ny tôkalo dia fifanosohan'ny tôkatôka sy ny tononkalo no niteraka io, izy ity dia miseho amin'ny endrika literatiora an-tsoratra sy am-bava miaraka ; ny tôkatôka dia lahabolana am-bava, ny tononkalo kosa dia literatiora an-tsoratra. Ny Pôeta Radialph avy any amin'ny Faritra Atsinanana (Vatomandry) no nipoiran'ity hai-famoronana ity. Tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy ity, anefa tsy maintsy mifanaraka amin'ny sehatra hisehoany.

♦ Noravan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina alina ny governemanta tarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Manameloka ny fisamborana sy ny fampiasàna herisetra : toy ny nahazo ny naman'izy ireo sy ny olo-tsotra nanao ny fitakiana ny vondrona parlemantera IRMAR, manoloana ny zava-misy ao an-drenivohitra sy any amin'ny Faritra samihafa... ♦ Ampy ny tahirin-tsolika manerana ny nosy, raha ny fanambarana navoakan'ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH) omaly... ♦ Nankasitraka ny drafitra natolotry ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny any Gaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron...

Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Nanohy ny hetsi-pitakiana indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nahery vaika ny fanapritahan'ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Voasambotra nandritra izany ny Solombavam-bahoakan'Arivonimamo Rajerison Antoine... • Miitatra any amin'ny Distrika koa ankehitriny ny hetsiky ny tanora leo delestazy. Nisy ireo voasambotra tao Mandritsara. NAnohy ny hetsika koa ny mpianatry ny Oniversite tao Antsirabe... • Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy anio amin'ny 8 ora alina ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...

Tena pitik’afo kely nandrehitra ny hatezeran’ireo niteny tsy nisy nihaino sy tofoka ninia nangina ny... fikitihana ireo izay saika hijoro amin’ny filàna fototra tsy nisitrahana maharitra. Tratry ny angaredona tokoa ireo telo mianadahy nanana fahasahiana nitarika daba mavo sy nivimbina labozia teny am-baravaran’ny lapa teny Anosikely ka toa nimpirimpirina ankolaka. Tsy sakana ho an’ireo efa niaritra haizina sy hetaheta... indrindra ireo efa leo nampanantenaina vahaolana isaky ny mandeha anefa izany.

♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy  ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...

Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny  hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...