• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...
Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Maro ireo naratra, nisy ny voasambotra, nisy ny trano may vokatry ny hetsika “Leo délestage” androany, tao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mitohy hatramin'izao hariva izao ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana ataon'ny mponina amin'ny tanana maro... • Nofoanana noho ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena ny Kongresy Nasionalin'ny antoko AVI, izay saika hatao rahampitso tetsy amin'ny CCI Ivato... • Manjaka ny hala-tany any amin'ny Kaominina Ambohibary, Distrikan'i Moramanga. Tany mirefy 5.000 m² bo bodoin'olona iray...
♦ Tonga nanohana ny antson'ny mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra ireo olona leo delestazy sy tsy fisain'ny rano. Tsy tafiditra teo amin'ny toerana nifampitaonana nefa izy ireo... ♦ Nanao ady sisika manokana ny amin'ny tokony hanalavana ny AGOA ny filoha Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Tsy ho an'i Madagasikara ihany fa ho an'ireo tany mivondrona ao amin'ny SADC hoy izy... ♦ Mikarakara fihaonana momba ny siansa sy ny famokarana eny ambanivohitra ny FTA, iarahana amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ny ESS ABC sy ireo mpiara-miombon'antoka...
Ho fampandrosoana ny firenena dia manana adidy ny olona rehetra 18 taona noho miakatra hampiseho fihavanana fifanampiana, finiavana mitondra amin'ny fitiavana azoana vokatra tsara. Raha tiana ny handroso dia sahia manonofy, fa ireny no zary tanjona. Ny finoana dia isany solika mpandrisika ny olona hivoatra satria ny nofinofy tonga tanjona ary ireo ombana finoana no hatontosana izay kasaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tafapetraka ny fitoriana fandavana ny fanapahan'ny OMC hoy ireo nanao fangatahana amin'ny hetsika Ambohijatovo anio. Tsy mihemotra ireo mpanolon-tsainan'ny tanàna nametraka izany. Nampitandrina ny OMC fa handray fepetra hentitra amin'ireo mandika lalàna izy ireo... ♦ Tsy vahaolana ny fanakanan'ny mpitondra ny hetsika hanehoan'ny vahoaka ny alahelony hoy ny Antoko Kintana. Miantso ny mpitondra sy ny prefektiora hamela malalaka ny olom-pirenena haneho ny heviny amin'ny fahasahiranana mahazo azy koa hoy ny Leader Fanilo... ♦ Velon-taraina ny mpivarotra nesorina tao amin'ny bazary Ankirihiry any Toamasina...
Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Nametraka fitoriana fampiatoana sy fanafoanana ny tsy fanomezan-dalana avy amin'ny OMC Antananarivo, ireo Mpanolotsain'ny Tanana avy ao amin'ny fanoherana... • Nilaza ny handray fepetra hentitra ho an'ireo minia mandika lalana ny EMMONAT, rahampitso... • Mitohy ny ezaka amin'ny fiarovana ny ankizy, izay ataon'ny PFSCE...
♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...
Ny volana septambra dia fotoana fanomanana ny toe-tsain'ny mpianatra hiatrehan'izy ireo ny taom-pianarana, izay haharitra 10 volana. Ny fivoaram-piainana dia miankina amin'ny tsirairay handray azy. Ny fivoaram-piainana ho an'ny mpianatra : fifindrana kilasy, afaka fanadinana. Ny fanabeazana dia teny entina mandrisika ny sain'ny olona iray hampivoatra azy ; ny fampianarana dia ilay andraikitry ny sekoly mampita fahalalana hatonga ny mpianatra hahazo fivoarana (taranja)... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...
Mba hahatakarana ny zavatra nokendren'ny mpanoratra masina : tsy maintsy fantarina, anivon'ny zavatra hafa, ny karazan-dahatsoratra ; tsy maintsy arahi-maso tsara, ireo fomba fisainana, fomba fiteny, fomba fitantara nahazatra teo an-toerana sy nanan-kery tamin'ny andron'ny mpanoratra masina. Ny amin'ny fivoasana ny Soratra Masina àry dia manatanteraka ny didy sy ny anjara raharaha masina ho famoasana ny tenin'Andriamanitra ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco