Tapa-kevitra hamaky lalana vaovao, hamahana ny olana momba ny fifaneraserana ao aminy sy ny manodidina azy, ny kaominina ambanivohitra Antsapanimahazo distrikan’i Faratsiho faritr’i Vakinakaratra. Mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra ary ny fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina ao an-toerana...

Mirefy 10 kilometatra eo ho eo ity lalana vaovao hatao ity. Manohana izao ezaka atao izao ny faritra Vakinakaratra, nampindrana ny fitaovana vaventy ampiasaina, saingy anjaran’ny kaominina kosa no miantoka solika ampandehanana izany hoy Ramatoa RAHERIMANDIMBY Solofonirina ben’ny tananan’Antsapanimahazo.

Misitraka tombotsoa amin’ny famakiana lalana vaovao ataon’ny kaominina Antsapanimahazo ny kaominina Ambohiborona, kaominina samy ao amin’ny distrikan’i Faratsiho. Antony nahatonga ny ben’ny tanàna ao Ambohiborona sy ny mponina ao aminy manohana ny ezaka atao amin’izao fanamboaran-dalana izao amin’ny fitondrana ny anjara biriky avy amin’izy ireo.

Azo lazaina ho manana lalana tsara ny ao Ambohiborona noho ny ezaka fanamboaran-dalana saingy mampitondra faisana ny mponina ao aminy kosa ny faharatsian’ny lalana avy eo Antsapanimahazo mihazo ny arabe ao Faratsiho hoy Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Alexandre, ben’ny tanàn’ Ambohiborona. Ny voly vary moa no tena mampahalaza ny kaominina Antsapanimahazo sy Ambohiboroana.

[Miara-dàlana] Zoma 16 ôktôbra 2026

• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...