Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Mirehareha amin'ny tombontsoa azo amin'ny fampiasana ny zezika kankana nohatsaraina tamin'ny alalan'ny fikarohana nataony ingahy Papa Bio sy ireo tantsaha miara-dia aminy. Ny zezika kankana hoy izy dia zezika mandonaka tany ao anatin'ny fotoana fohy. Mitana ny rano ao amin'ny nofon-tany. Manampy ny zava-maniry ahatohitra ny hatsika ateraky ny fanala. Fanafody mahomby amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany koa.
Amin'ny fambolem-bary, nahafahana nanavao ny fotoana hanetsana ho roa andro ny fampiasana ny ranona zezika kankana. Ny fandomana ny akotry amin'ny ranon-jezika kankana no manafaingana ny fitsirian'ny voam-bary. Mitombo hainga koa ny zanabary ka tsy maintsy aketsa amin'izay roa andro izay. Afaka mamoka-bary in'efatra isan-taona ny tantsaha iray ao amin'ny Faritr'i Menabe amin'ny fampiasana izay teknika izay.
Amin'ny famokarana voatabia, miova ny fomba fambolena amin'ny fampiasana ny zezika kankana. Ny mpikambana ao amin'ny Lanja Miakatra mantsy indray mandeha ihany no mamafy voatabia fa avy eo ny solofom-boatabia no ampiasaina amin'ny famokarana manaraka. Mamokatra ao anatin'ny fotoana fohy kokoa ny fampiasana ny zezika kankana amin'ny fambolena io solofom-boatabia io. Tsy mampiasa ranom-panafody amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany koa ny tantsaha. Miantso ny mpisehatra rehetra amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra i Papa Bio hanely ny fampiasana ny zezika kankana eny amin'ny tontolo ambanivohitra