• Mbola hanadihady tsara ny zava-misy ny SADC, tao aorian'ny fiovam-pitondrana eto Madagasikara. Nihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka indray izy ireo androany, niresaka momba ny toe-draharaha politika eto amintsika... • Ahiana hikatso ny raharaha eny anivon'ny Fitsarana manerana ny nosy, noho ny fe-potoana nomen'ny Sendikan'ny Mpitsara. Ho tapitra rahampitso izany fe-potoana izany, hitakian'izy ireo ny hijerena ireo olana momba ny raharaham-pitsarana... • Miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika, any amin'ny Distrikan'Antanimora Atsimo, Faritra Androy. Misy ireo manararaotra ny savorovoro politika eto amin'ny firenena, hoy ny Depiote voafidy tany an-toerana...
♦ Misy ireo sendika sy antoko pôlitika mametraka ahiahy amin'ny praiministra vaovao nandray ny fahefany omaly. Tsy mifanaraka amin'ny notakiana nandritra ny tolona ny fanendrena azy hoy ny randrana sendikaly. Mivoana amin'ny fanovana nodradradradraina teny an-kianja ihany koa ny fanendrena azy hoy ny antoko Otrik'afo sy ny vondron-kery Manova Ifotony... ♦ Nanambara ny tsy maha-mpanohitra azy intsony ny vovonana pôlitika RMDM. Manara-maso ny fomba fiasan'ny mpitondra nefa izy ireo... ♦ Nihena ny herin'ilay rivo-doza Chenge mananontanona ny faritra avaratry ny nosy, hanohy ny diany hiankandrefana hatrany izy anatin'ny 4 andro...
Ny fihavanana no tena ilaina amin'izao olana misy eto amin'ny firenena izao, izay kolontsaina fototra mitondra amin'ny lamina sy rindra, loharanon'ny fivoarana. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ilay ny fanomezan-danja sy fihainoana ny hetahetan'ny rehetra. Ny famelan-keloka dia isan'ny toetsaina mitondra amin'ny filaminana sy firindràna, tsy misy mahita soa amin'ny fifampiandaniana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hampihatrano ny fanokafana ôfisialy ny taom-pianarana 2025-2026 eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Vikaria Manodidina-Atsinanana. Fanokafana hatao eny amin'ny Kianjan'ny Bevalala-Malaho rahampitso... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny SADC mamita iraka eto Madagasikara teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha, omaly, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ Hitsangana tsy ho ela ny governemanta hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Praiministra teo aloha ny Jeneraly Zafisambo Ruphin. Lanonana teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo, omaly...
• Ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta, hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo. Governemanta hiasa sy hanome vokatra fa tsy ho lany andro amin'ny kabary, raha ny fanazavany... • Horaisin'ny Vikaria Manodidina Atsinanana ny fanokafana ofisialy ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika ato amin'ny Diosezin'Antananarivo. Hotanterahana ny zoma 24 oktobra 2025 izany... • Mbola mitana ny “Service zéro” ireo mpampianatra mivondrona ao anatin'ny Mpanabe Manova Ifotony na MMI. Milaza ny mbola hampiato ny asa fampianarana eny anivon'ireo liseam-panjakana maro eto Antananarivo sy any amin'ny faritra, izy ireo...
♦ Tsarao amin'ny asa vitako aho hoy ny praiministra, izy izay mametraka ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana hanarenana ny firenena, nandray ny toerana maha praiministra azy ny maraina teo moa Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Miato ary hahemotra avokoa ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakàna araka ny fanapahana navoakan'ny filohan'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara Kôlônely Michaël Randrianirina androany... ♦ Misy andian'olona mitady haka fahefana tsy ara-dàlana ka mitaky ny fanesorana ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo renivohitra...
Ny fivoarana ho an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...
Ny "Sacrosanctum Concilium" no vato fehizoron'ny fanavaozana ny Litorjia Katôlika amin'ny taonjato faha-20. Tamin'ny tapaky ny taonjato faha-20 dia efa hita fa nanjary tsy nifandray loatra amin'ny fiainan'ny vahoaka ny fankalazana litorjia : Lahateny sy fombafomba tamin'ny teny Latina, vahoaka mandray anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Miantso ny solombavambahoaka handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny firenena ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena. Tsy maintsy mamerina izay volam-panjakàna na harem-pirenena nahodikodiny ireo izay hananana porofo mazava... ♦ Takian'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (OSCEAH) ny tsy aharava ny atrik'asa sy ny famatsiam-bola teknika ataon'ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikarsa...
♦ Namoahan'ny Praiministra vaovao toromarika tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara ireo ministra teo aloha sy tompon'andraikitra ambony, isaky ny Ministera... ♦ Mahazo vahana ny fitakiana fanoloana ny lehiben'ny fokontany tato ho ato. Tsy mahagaga raha misy ireny tranga ireny hoy ny KMF-Cnoe, noho ny tsindry tamin'ny vahoaka nialoha ny fifidianana farany teo... ♦ Namaly ny orinasa ADEMA ny Ravinal Airports izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-be androany momba ny ambara fa trosa tsy voaloa... ♦ Nahazo praiministra vaovao ny any Japon. Niantefan'ny safidin'ny maro an'isa teo anivon'ny antenimieram-pirenena Ramatoa Sanae Takaichi...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco