Ny mpino rehetra dia antsoina handray anjara mavitrika amin'ny litorjia. Vokatry ny "sacrosanctum Concilium" dia nampidirina ny fiteny teratany amin'ny litorjia, izay fanavoazana lalina ny Lamesa. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana, hanamora ny fampiraisana ny Kristiana rehetra... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Misy andian'olona nanao hetsika nanoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanana, mitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Nihemotra indray, raha saika hanao hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny K-FIM sy ny antoko Otrikafo. Nampanantsoina haingana nidinika tamin'ny Filoham-panjakana teny Iavoloha izy ireo... • Miha-mahazo vahana ao anaty tambajotra sosialy ny fitakian'ny tanora ny hampidinana ny saran'ny Internet eto Madagasikara, amin'izao fanovana kasaina hatao eto amin'ny firenena izao...

Tsy azo idovirana intsony fa lalan-tokana ivoahana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny fandraharahana. Nivoitra tamin’ny fampiofanana an’ireo tantsaha avy amin’ny fikambanana miisa dimy tany amin’ny
faritra miisa efatra iasan’ny Réseau SOA natao teny amin’ny FOFIKRI Ilafy nandritra ny roa andro izany. Fampiofanana vokatry ny tetik’asa an’ny AGRICOR, nomena ny anarana hoe FAO FS, vatsian’ny GIZ vola, ary manatanteraka kosa ny Réseau SOA sy ny AFDI ary ny FERT kosa hoan’ny FIFATA. Lohahevitra nitondrana ny fihofanana ny hoe: “fandraharahana amin’ny tontolo ambanivohitra”....

♦ Efa eny amin'ny antenimieram-pirenena ny volavolana teti-bolam-panjakàna lasitra LFI-2026, mba hahafahan'ireo solombavambahoaka mandinika izany ara-potoana hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Docteur Ramiarison Herinjatovo... ♦ Nijoro nilanja sora-baventy nitaraina amin'ny ambarany ho fisian'ny antsojay mahazo ireo fianakaviana 35 monina eny amin'ny Atsimo-Atsinanan'Andraisoro. Nambaran'izy ireo fa misy olona milaza ho tompon'ny tany ka mikasa haka io tany, efa nohajariany nandritra ny 60 taona io... ♦ Nidina ifotony nijery sy nanaraka ny fivoaran'ny asa fanamboarana ireo milina miisa 3, an'ny Jirama ny Fiadidiana ny Repoblika...

Ny “Mandra-maty no itiavako anao, ahoana no hahatanteraka izany ?” dia manasongadina ny hasarobidin’ny fanambadiana sy ny fitiavana maharitra eo amin’ny mpivady, izay antsoin’Andriamanitra hiombona amin’ny fahamarinana sy ny faharetana mandra-pahafatiny. Ny fahatanterahan’izany dia miankina amin’ny fiorenan’ny fitiavana amin’Andriamanitra, ny fiezahan’ny mpivady amin’ny fifandraisana, fifampitokisana, fifamelana, sy fifanohanana, ary ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy mikasa ny hitsoaka any ivelan'i Madagasikara ny ministra teo aloha nisahana ny fanabeazam-pirenena Docteur Marie Michelle Sahondrarimalala. Efa misy ireo ministra teo aloha no tafavoaka any ivelany... ♦ Taorian'ny fiovan-dokon'ny vovonana IRMAR teny amin'ny antenimieram-pirenena, niala tao amin'ny vovonana Firaisankina ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Iray amin'ireo ministera tena nanaovan'ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy ampihimamba ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hoy ireo sendika eo anivon'ity ministera ity...

Ny Litorjia no loharano sy faratampon'ny fiainana kristiana, ao indrindra no miasa amin'ny tena ny asa fanavotan'i Kristy, ao amin'ny alalan'ny Eokaristia. Amin'ny alalan'ny Eokaristia dia maneho amin'ny fiainany ny misterin'i Kristy ny mpino, ary asehon'i Eglizy ny maha-izy azy marina dia fiombonana amin'Andriamanitra sy amin'ny olombelona...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Namoahana didy fandrarana tsy faha-mivoaka an'i Madagasikara, Ramatoa isany Rinah Rakotomanga sy i Michele Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha. Fandrarana, noho ny taratasy avy amin'ny Tale Jeneralin'ny Bianco... • Niala tao anatin'ny Vovonana Firaisankina ny antoko TIM, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Nasionaliny. Nitondra fanazavana manoloana ny resabe naterak'izany androany, ny avy amin'ny mpikamban'ity antoko ity... • Nitaraina ny orinasa Star, momba ny hetra alain'ny fanjakana amin'ny vokatra vokariny. Niakatra telo avo heny, ka mahatrata 293 % io hetra io tao anatin'ny dimy taona, hoy ny fampitam-baovaon'ity orinasa ity androany...

♦ Namoaka ireo tanora nahavita fianarana tao aminy androany ny Ivon-toerana ambony Saleziana Don Bosco momba ny Filôzôfia ao Ankofafa, Fianaratsoa ISSaPhi SDB. Notolorana ny mari-pahaizana Licence ireo andiany nivoaka... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Gascar Fenosoa ao anatin'ny 2 volana ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera amin'ny haino vaky jery... ♦ Anjakan'ny teratany vahiny ny sehatry ny famokarana herinaratra eto Madagasikara hoy ny kômity iombonana ho an'ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ka mila andraisana fepetra izany...

Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanao rano lava ny famindram-pahefana teo amin'ireo ministra vaovao sy ny teo alohany. Hiroso amin'ny fanovan-drafitra ny tafika Malagasy hoy ny Ministry ny Foloalindahy vaovao... ♦ Tontosa omaly teny amin'ny antenimieram-pirenena ny fifidianana ireo izay handrafitra ny birao maharitra vaovao. Voafidy ny filoha lefitra miisa enina. Kestora telo ary mpampaka-teny miisa roa... ♦ Miantso fakàn-kevitra ny Vovonana AMEN, mialohan'ny handaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026. Tokony handalina tsara mialohan'ny fandaniana izany ny solombavambahoaka... ♦ Hihaona amin'ny filoha Xi Jiping ny Filoha amerikana Donald Trump anio alakamisy...

Ny konsily Masina dia maniry hampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino ; hanavao amin'ny filàn'ny vanim-potoana ankehitriny ny fomba sy rafitra sasany ao amin'ny Eglizy ; hampiraisana ny Kristiana rehetra ; ary ny hanamafisana ny antso ho amin'ny fiainam-pamonjena ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...