♦ Mila miomana dieny izao ny mpiantsehatra rehetra hiatrika ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kômity Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara (JFIM). Mila manaraka ny tarika hitondran'ny FFKM ny rehetra hoy Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Haverina indray ny fitandroana ny fifamoivoizana ataon'ny pôlisim-pirenena manerana ny nosy (Police de la route). Herinandro no omena ireo mpisehatra amin'ny fitanterana sy ny fifamoivoizana hoy izy ireo ka hihatra amin'izay ny sazy... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tantely. Miantso ny rehetra hitandro ireny bibiky ireny mpamokatra sakafo ireny ny MAM...