♦ Isan'ireo nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe ny FFKM androany teny Ilafy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kôlônely Michaël Randrianirina sy ireo mpanao pôlitika isan-tsokajiny... ♦ Zaza varira roa indray no lasibatry ny fakana ankeriny tato anatin'ny efatr'andro, iray zaza, ilay zaza kely vao valo volana mbola tsy hita popoka, ny iray kosa zazalahy kely 12 taona voatapa-doha ary mbola tsy hita ny lohany... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny fampianarana ambony mba hanasarahana ny sampam-piofanana infirmier tsy hiaraka intsony amin'ny sampam-piofanana siansa maha-olona, ny holafitry ny infirmier...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...