♦ Masoivohon'i Madagasikara hiasa any ivelany miisa telo indray no notendrena nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly. Ambasadaoro Malagasy 8 no voatendry tato anatin'ny herinandro vitsivitsy... ♦ Manoso-kevitra ny hananganana dinam-piaraha-monina vaovao "titike" hitondràna ny firenena ny antoko Avotse Tagnendraza Madagasikara. Hitondra izany any amin'ny fikaonan-doham-pirenenea izy ireo... ♦ Omena fiofanana ny Pôlisy sy ny Zandary eto Madagasikara momba ny fampiasàna ny "I.A" hiadiana amin'ny fanararaotana ara-nofo atao amin'ny ankizy anaty tambajotran-tserasera...

[Miara-dàlana] Zoma 20 novambra 2026

• Fiofanana maharitra sy faharetana mivavaka no nanentanan'ny Eveka ireo pretra diosezanina, mba hiatrehana ny fanamby ankehitriny… • Nitantara ny vokatry ny fitsidihana Apostolika tany Amerika Latina, ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo… • Any Odessa, simba taorian'ny fanafihana rosiana, ny Katedraly katolika…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...