♦ Sokafana anio Talata 19 mey eny amin'ny FJKM Ankadikely-Ilafy ny fihaonamben'ny FFKM, handinihan'izy ireo ny momba ny raharaham-pirenena... ♦ Noesorin'ny Antenimieram-pirenena taminy ny zo tsy azo hivalozana ho an'ny solombavambahoaka Naivo Raholdine, ny Fitsaràna no manapaka ny tohin'ny raharaha hanenjehana azy hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Ramatoa lehibe iray 60 taona voasoloky 30 tapitrisa Ariary tamina raharaha fividianana tany teny amin'ny faritra By-Pass, misy olom-boafidy miaro sy miditra an-tsehatra eny amin'ny Fitsaràna ilay mpisoloky...