• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...