Ilàna finiavana sy fahaizana ny mifanakalo hevitra. Manatsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady izany satria ny fifanakalozan-kevitra no ahafahan’ny andaniny sy ny ankilany mifankafantatra, mifankahazo, mifampatoky bebe kokoa hatrany. Ny fifanakalozan-kevitra ihany koa no ahafahana mifampizara ny fihetseham-po sy mifehy izany. Fifanakalozana mivantana, misy hafanana sy hafaliana no entanina araka izay azo atao. Eto dia manamafy ny fomba fiteny Malagasy : “Mpifankatia tsy mifaramafara hono, very ny androtokom-pitiavany, ady no farany”. Fandaharana "miaina sy mitia"
Napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny zavaboahary mahagaga aho. Ny olombelona no zavaboahary tsara indrindra nataon’Andriamanitra. Isan’izany aho sy ireo olona manodidina ahy : izay no antsoina hoe fiaraha-monina. Faly aho fa manana ny toerako eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Manana adidy aho manoloana izany: manatsara azy, mikajy ny soa iombonana, mandray andraikitra, mibe sy manabe ny hafa, ho modely ho an’ireo tanora namako. Fandaharana "miaina sy mitia"
"Tsy ampy ny mitady elanelam-panahy hampifandraisana ny fiarovana ny voahary sy ny tombontsoa ara-bola, na koa ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana. Mikasika izany, ny fisian’ny elanelam-panahy dia manemotra kely foana ny fotoana hingadonan’ny faharavana. Ny tsy maintsy atao fotsiny dia ny mamaritra izay atao hoe fandrosoana. Ny fivoarana ara-teknolojia sy ara-toekarena izay tsy mamela tontolo tsara kokoa sy hatsaran’ny lafim-piainana rehetra hiakatra ambony kokoa dia tsy azo heverina ho fandrosoana"(LS 194). Fandaharana "miaina sy mitia"
Ny fanabeazana dia adidin’ny ray aman-dreny haha-olom-banona sy haha-mahaleo tena ny zanaka. Ao anatin’izany dia maro ny karazana fanamby atrehina isaky ny sokajin-taonan’ireo zanaka. Etsy andaniny ihany koa anefa maro ny fanentanana
avy amin’ireo mpiaro ny zon’ny ankizy amin’ny fomba fanabeazana tokony ataon’ny ray aman-dreny. Hiatrehina izany rehetra izany dia mila mifanakalo hevitra amin’ny zanaka ny ray aman-dreny, mahazo ny filàn’izy ireo, manampy azy ireo amin’ny fanomanany ny hoaviny; ary indrindra, tsy hiraviravy Tanana manoloana ireo fanamby atrehina samihafa ka handray ny adidy ho antso sy iraka avy amin’Andriamanitra. Fandaharana "miaina sy mitia"
Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe nasionalin'ny ankizy andiany faha-3 na JNE Mada III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy mitovy amin'ny tanora izy ireo fa ankizy 6 ka hatramin'ny 14 taona, izany hoe ankizy tsy ampy taona. Mila atao mipetrapetraka tsara ny fiomanana rehetra indrindra ny fiahiana ny fahasalaman'ny ankizy, ka izay ny anton'ny fandaharana. Fandaharana "miaina sy mitia"
Ataontsika topi-maso miaraka ny amin'ny Trinite Masina ny tontolo izay iainantsika. Raha jerentsika araka ny fijerin'ny Trinite Masina izao tontolo izao dia mirona any amin'ny zava-dratsy ny ankamaroan'ny olona izay mitondra azy any amin'ny afobe fa tsy any an-danitra. Voairaka toa an'i Jesoa koa isika handrava ny herin'ny ratsy amin'ny manodidina antsika sy hanandratra an'Andriamanitra. Fandaharana "miaina sy mitia"
Amin’ny kolontsaina Malagasy, ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona no mpitahiry ny fahendrena sy ny soatoavina. Mpanabe izy ireo ary andrin’ny fianakaviana. Ny fananana azy ireo eo anivon’ny fianakaviana dia manome lanja ny fianakaviana sy ny ankohonana. Noho ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny kolontsaina dia mihamihena ny lanja omen’ny fiarahamonina azy ireo. Manentana antsika araka izany ny Papa Ray Masina Fransoa, amin’ny namoronany ny andro maneran-tany ho an’ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona nanomboka ny taona 2021. Amin’ny taona ity dia ny 23 Jolay 2023 no hanamarinana izany ary anentanana ny kristianina iray manontolo ny fanomezan-danja azy ireo sy io andro maneran-tany io.
Re tetsy sy teroa, ary miharihary tsy takona afenina ny fisian'ny tranga-na fidorohana toaka sy fandraisana zava-mahadomelina eo amin'ny tanora. Misedra olana goavana ny fiaraha-monina noho izany tranga izany, koa rariny raha resahana manokana ity loha-hevitra ity, mba hikatsahana vahaolana maharitra. Manana adidy amin'ny fikatsahana izany vahaolana izany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
Ny fitiavana no nanosika ny olon-droa lahy sy vavy hivady, ho lasa Ray sy Reny ary manana andraikitra feno eo anivon’izany tokantrano izany. Tsy mandeha ho azy ny fandraisana ireo andraikitra ireo fa mitaky fitiavana lehibe kokoa hatrany, mitozo ho lasa fanompoana sy fanetren-tena ary fanoloran-tena ho an’ireo tiana. Samy manana ny anjara toerany tokoa ny ray, ny reny ary ny zanaka : ny fifamenoana sy ny fifanampiana amin’izany anjara toerana izany no manampy ny tokantrano iray hahita fahombiazana. Manampy ireo olona miaina ao aminy hivelatra, hahay hitia, haneho hevitra ary hifanaja. Zava-dehibe ho an’ny fahasambaran’ny tokantrano izany Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
Hatao eto Antananarivo ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany faha-3 na JNE Mada-III, manomboka ny 26 jolay hatramin'ny 30 jolay 2023. Tsy maintsy hamafisina ny fanomanana. Mifanindry ny fotoana hanatanterahana ny JNE sy ny vaksiny faobe ka izay no ilana ny fanentanana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-terana Arrupe Madagasikara.
♦ Nosokafana omaly ny fihaonambe fanaon'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco isan-taona. Nanombohana ny fotoana ny fandalinana manokana ny sinaodin'ny eveka momba ny " mba ho Eglizy miara-dia " notarihan'ny Eveka Mpanampy eto Antananarivo, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nihaona tamin'ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ho an'ny faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika tany Washington-Etazonia ny Ministry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola Malagasy. Ho tohizana ny dina ara-toe-karena vitantsika hoy Ramatoa Kwakwa Victoria... ♦ Tsy mbola midina ny vidim-bary eny an-tsena na efa anatin'ny fararano aza. Tafakatra 4.100Ar/kg amin'ny vary mkalioka sy ny vary mena...
♦ Tsy mbola midina mihitsy ny vidin'ny vary vokarina eto an-toerana, na dia efa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika. Misy tafakatra hatramin'ny 4.100 Ariary ohatra ny kilaon'ny vary mena sy ny makalioka eto Antananarivo... ♦ Hanohana antsika amin'ny tetik'asa hanatsaràna ny fomba fiasa eo anivon'ny fadintseranana i Korea-atsimo, hanafainganana ny famoahana entana. Vola maherin'ny 5 tapitrisa dôlara no enti-manana amin'izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eto Madagasikara. Miisa 44 isaky ny 100.000 no tratran'izany, noho ny tsy fanaovana fitiliana, hoy ny fikambanana tsy miankina "Douleur sans frontière"...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco