11 septambra — Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.

Rehefa nananontanona azy ny ora hafatesany dia nangataka hiala amin’ny maha lehiben’ny trano azy izy ary nipetraka any Luxeuil amin’ny andro sisa hiainany. Rehefa tonga tany izy dia noraisin’ilay frera antsoina hoe Emmon, izay mpandray vahiny no asan’izy io. Ny 11 septambra 673 maraina nanontany an’i Emmon i Adelphe raha efa ora fifohazana ho an’ny vavaka ; nefa hoy i Emmon hoe andrasantsika aloha ny lakolosy famantarana. Dia lasa nivoaka i Emmon ary nametraka mpitoka-monina iray teo mba hiandry an’i Adelphe. Nanomboka teo ny fanaintainana lehibe sady ora farany ihany koa. Mbola nanana fotoana nanaovana ny famantarana ny hazofijaliana anefa i Adelphe ary nivavaka kely. I Ingofroy moa no nahita ny nialany aina ary io ihany koa no nampilaza ireo relijiozy tao Remirmont.

Ny Abbé Garichramme, mpandimby an’i Adelphe, dia niainga maraina niaraka amin’ireo mpitoka-monina maro be sy kristianina hafa mba ho tonga any amin’ny fandevenana, ary naharitra iray andro sy iray alina izany. Ny relijiozy tao Saint-Mont dia nidina hatrany Moselle niaraka tamin’ny lehibeny ihany koa, Tecte moa no anaran’io lehibe io, nanotrona tao am-piangonana izy ireo hatrany amin’ny toerana nandevenana an’i Adelphe tao amin’ny bazilikan’i Sainte-Marie. Isaky ny 11 septambra dia hankalazaina ao Luxeuil ny fetin’i Masindahy Adelphe, taty aoriana dia nafindra tao amin’ny fiangonan’ny trano fitokana-monina tany Remirmont niaraka tamin’i Masindahy Romanic sy Masindahy Aimé ny reliques an’i Masindahy Adelphe. Nasandratry ny papa ho olontsambatra ny taona 1049 i Adelphe ary ny papa Leon IX no nanao an’izany. Aza afangaro anefa fa misy ihany koa ny Adelphe tany amin’ny taonjato fahefatra tany.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...