Ny fahatsorana dia toetra voajanahary ao amin'ny olona indrindra ho an'ny zaza. Rehefa mihalehibe ny olona iray dia mihataka amin'ny "fahatsorana" tsikelikely satria tia manasarotra zavatra izy ireo mba hilazany fa manandanja ny zavatra iray. Ny fahatsorana dia ahitana foto-teny  hoe "tsotra" izay midika hoe tsy miolakolaka na mangarahara. Fandraharana "Ampela miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Anatin'ny fanomanana ireo fifidianana ny eo anivon'ny CENI. Natomboka any Antsiranana ny famorian'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena ireo hery velona isan-tokony any an-toerana, arahin'ny varavarana misokatra anio tolak'andro... ♦ Hampihatra ny sazy enjana ho an'ireo tratra manao ny taratasy hosoka amin'ny fandraisana ho miaramila ny eo anivon'ny Etamazaorin'ny Tafika malagasy... ♦ Mitohy ny fanapariahana ny vaksiny covid-19, any amin'ny faritra manerana ny nosy, ho an'ny faritra vatovavy dia natomboka omaly ny fanatanterahana izany vaksiny izany mandritra ny 100 andro ka any Mananjary no hanaovana izany... 

♦ Mitokona mitaky ny hanomezana azy ireo ny vacation na ny saran'ny fiambenana ho an'ny fanadinana bakalôrea ny taona 2020 sy ny taorian'izay, ny mpampianatra mitsara fanadinana bakalôrea any amin'ny faritanin'Antsiranana... ♦ Ampanavaozana ny paik'adim-pirenena momba ny fanofanana ara-pamokarana sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR ankehitriny ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tontosa ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra voakasin'izany... ♦ Nametrahan'ny Weter Aid Madagasikara, foto-drafitr'asa fidiovana sy fanadiovana ny sekoly sy ny tobim-pitsaboana maromaro ao amin'ny kaominina Manjakandriana. Mponina 220.000 mahery, amin'ny fokontany 09 no misitraka izany...

♦ Ho fandrafetana sy fanatanterahana ny drafim-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara, dia nivory nandinika ny momba izany ny komity manokana misahana izany, tarihin'ny praiministra Ntsay Christian... ♦ Fanamafisana ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa hafahana manatratra ny tanjona ny amin'ny fandriam-pahalemana iombonana, no loha-hevitra nifantohan'ny fihaonambe an'ireo ministera ny fiarovana aty Afrika... ♦ Notontosaina tany Nosy-Be, nandritra ny telo andro, nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko...

♦ Mila fanavaozana ara-pitantanana sy ara-toe-karena ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny antoko Fanorenana Ifotony ho an'i Madagasikara. Nambaran'ny FIAM fa ilaina ny fikaonandoham-pirenena handinihana izany rehetra izany... ♦ Hanao hetsika manokana ny Zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao. Fepetra maromaro no hihatra manomboka rahampitso eny amin'ny lalam-pirenena... ♦ Tobim-pahasalamana 116 any atsinanan'i Madagasikara no notoloran'ny USAID fitaovam-pitsaboana sy kojakoja samihafa. Fanampiana ara-pitaovana mitentina 34 miliara Ariary...

♦ Miatrika fihaonam-be manomboka anio ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Anisan'ny hodinihina amin'izany ny fanavaozana ny tranokalam-pifandraisan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM. Nanambara ny mbola hanohy ny hetsika fanehoan-kevitra izy ireo, na teo aza ny fanakànana ny sabotsy teo... ♦ Niakatra hatramin'ny 3.000 Ariary/gony ny vidim-bary eny amin'ireo mpamongady. Voalaza ho anisan'ny anton'izany ny fiakaran'ny vidin-tsolika, na mbola mitobaka ny vary eny an-tsena amin'izao...

♦ Nilaza ny RMDM androany, fa mbola hiverina eny an-kianja, na dia tsy tanteraka aza ilay fihaonam-be ho fanavotam-pirenena nokasainy ny sabotsy teo... ♦ Nanameloka ny fihetsika nisakanana iny hetsika iny androany ny HVM. Rariny anefa raha nosakanana izany satria tsy nahazoana alalana, hoy ny VMFM. Miantso ny andaniny sy ny ankilany mba handini-tena etsy ankilan'izany ny CFM... ♦ Nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny bakalorea teknika andiany faharoa...

♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...

♦ Namoaka fanambaràna ny antoko MMM, manoloana ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena. Manana zo haneho hevitra an-kalalahana ny vahoaka, nefa tsy azo ekena ny fihoaram-pefy, hoy ny fanambaràna... ♦ Tovolahy iray no nidoboka am-ponja rehefa nosamborina teny amin'ny By-Pass tamin'ny fandalovan'ny fiara nitondra ny filoham-pirenena. Nanao fihetsika nanondro ambany ny ankihiben-tanany no voalaza fa nisamborana azy...  ♦ Tsy hita ary mbola karohina hatramin'izao ny zanaky ny solombavambahoakan'i Mahabo, tokony niatrika famotorana azy tao Morondava ny herinandro teo. Voatonona anarana tamin'ny fiarahana tamin'i Soja, ilay dahalo raindahiny tany Mahabo izy...

Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...

♦ Efa navotsitra  ny sekretera jeneraly sy ny mpandrindra nasiônalin'ny antoko TIM, taorian'ny fisamborana nandritra ny hetsiky ny RMDM teny Behoririka... ♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalorea teknika sy teknôlôjika manomboka anio ireo mpianatra amin'ny kilasy famaranana eny anivon'ny Lisea teknika. Mpiadina 11.631 no voasoratra anarana manerana ny nosy... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany ny sabotsy hariva teo i Remi Rahajarizafy mpanao gazety zokiolona... ♦ Mitsidika any Canada nanomboka omaly hariva ny Papa François...

♦ Voasambotra androany maraina teny Behoririka ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM Riana Randriamasinoro. Nosakanan'ny mpitandro filaminana tsy afaka niditra tao amin'ny Magro Behoririka ireo saika hanatrika ny fihaonambe ho fanavotam-pirenena nokarakarain'ny RMDM... ♦ Tokony hamaly ny antson'ny FFKM ny amin'ny hisian'ny fiaraha-midiniky ny ankolafin-kery samihafa ny mpitondra hoy ny antoko FIAM... ♦ Misedra olana maro ireo kaominina misitraka tombontsoa amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany hoy ny vovonana OSCIE. Tokony halefahana ny fepetra ahafahan'izy ireo mahazo ny anjara vola amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...