25 aogositra — Teraka ny taona 1215 i Louis, natao batemy tao Poissy izy ary tsy maty tao am-pony izany finoana izany ka nahatonga azy hitonona hoe Louis de Poissy rehefa manao sonia na dia amin’ny fiainany andavanandro aza.

Blanche de Castille no anaran-dreniny ary tena tia azy io reniny io ka niriny fatratra hoe izy ihany no hampinono sy hitaiza azy. Taloha manko ny mpanjakavavy tsy mba nitaiza ny zanany. Fantatry ny olona tsara ny teny mamy nataon’ity mpanjakavavy ity tamin’i Louis zanany, hoy izy hoe : “Anaka, tiako ianao ao aorian’Andriamanitra ary mihoatra ny zavatra rehetra. Nefa fantaro tsara fa tiako ny mahita anao maty toy izay voaheloka noho ny fahotana mahafaty iray”. Mbola tamin’ny fahazazany i Louis dia efa nanana toe-panahy mendrika izay tokony haseho teo amin’ny fanjakana, ny fitovian’ny fahany, ny fitiavana ny rariny ary ny fitiavam-bavaka. Ary izy aza dia ambara fa mandany fotoana be loatra amin’ny fiainam-panahy, ary hoy izy tamin’izany fanenjehana azy izany hoe : “Hafahafa ny olona, lazainy fa heloka ny fahazotoako mivavaka nefa tsy misy miteny raha laniako amin’ny lalao sy ny loka ny fotoana maro, na mandeha mihaza aho na mandeha manejika ireo biby any an’ala”.

Rehefa tonga mpanjaka i Louis dia tiany aloha ny hanorina ny fanjakan’Andriamanitra, resy lahatra izy fa izay no fomba tsara indrindra hahamatotra ny fahefany. Iray amin’ireo andro tsara tamin’ny fiainany dia izy vonton-dranomaso nandeha teo anolohan’ireo relijiozy avy any atsinanana nitondra ny fehiloha tsilo masina. Ary io fehiloha tsilo masina io, nentina nandeha an-tongotra teo amin’ny renivohitry ny tanana. Tao aorian’ny aretina mafy nahazo azy, izay heveriny fa sitrana noho ny fahagagana satria tsy takatry ny saina ny nahasitrana azy, dia nanaiky izy ny nandray anjara amin’ny ady ho an’ny tany masina. Na ireo Sarrasins mpanafika aza dia nankasitraka ny hatsaram-panahy sy ny finoana ary ny herim-pony. Rehefa niverina tao France izy dia niezaka mba ho fanjakana mahery sy kristianina. Modely teo amin’ny fiainam-panambadiana i Louis ary misoratra amin’ny perany mihitsy ny hoe : “Andriamanitra, France ary i Marguerite”. Marguerite moa no anaran’ny vadiny. Raha izy teny an-dalana hamonjy ny ady masina dia nararin’ny pesta izy ka nodimandry ny 25 aogositra 1270 teo amin’ny faha efatra amby efapolo taona nanjakany. Misy tsangam-bato najoro teo amin’ny nahafatesany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...