28 aogositra — Teraka ny 13 novambra 354 tao Thagaste, ao Afrika Avaratra, i Aurélien Augustin. Patricius no rainy, ary Monique izay tsaroantsika ny 27 aogositra no reniny. Io reniny io ny nanabe azy tamin’ny fanabeazana kristianina.

Nianatra ny rhétorique sy ny filôzôfia tao Madaure tao Carthage i Augustin. Ary nandritra izany no nidirany tao amin’ny finoana manichéisme izay mandà ny fivavahana krisitianina. Nanomboka teo amin’ny faha-19 taonany, niara-nipetraka tamin’ny vehivavy i Augustin ka niteraka an’i Adéodat ny taona 372. Nampianatra ny rhétorique sy ny filôzôfia tao Thagaste izy avy eo tao Carthage, ary tany Roma sy Milan. Tamin’ny taona 386 tao Milan, nanaitra an’i Augustin ny fahaizan’i Ambroise, eveka io. Ny fahaizan’io eveka io miteny izay nanintona olona tokoa, teo no nampibebaka an’i Augustin sy natonga azy atao Batemy. Ny taona 388 niverina tany Afrika i Augustin mba hiaina ao amin’ny fikambanan’ny relijiozy, telo taona tao aorian’io nohamasinina ho pretra izy, nandimby ny eveka tao Hippone tamin’ny taona 396. Nodimandry ny 28 aogositra 430 i Augustin.

Azo lazaina fa iray amin’ireo mahay indrindra teto an-tany i Masindahy Augustin, ary iray amin’ireo olomasina malaza nasandratry ny Fiangonana. Mpitoka-monina izy, eveka, mpitory teny, mpanoratra, filôzôfa, teôlôjianina, mpanazava Soratra Masina, olon’ny vavaka sy ny hafanam-po. Iray amin’ireo modely mendrika izy, ny tena nampiavaka azy amin’ireo olona hafa dia ny nanalan’Andriamanitra azy tao anatin’ny lavaky ny rendrarendra sy ny fahaverazana, ary nasandrany ambony indrindra araka izay azon’ny olombelona tratrarina. Marina fa nampianatra azy ny oha-piainana tsara ny reniny ary nitomany fatratra tamin’ny ditrany fa nisy fiatraikany taminy ihany koa ny fibebahan-drainy taloha ny nahafatesany. Nisy vokany ny ranomaso narotsaky i Masimbavy Monique nandritra ny 30 taona. Rehefa naharesy lahatra an’i Augustin ny fampianaran’i Masindahy Ambroise dia nanao fiatahana masina niaraka tamin’ireo olona hafa nibebeka ihany koa izy nanomana ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Rehefa notendrena handimby ny eveka tao Hippone izy dia an-dranomaso no nanekeny izany satria mbola tsy maty tao an-tsainy ny fahatsiarovana ireo fahotana vitany. Niady tamin’ireo fampianaran-diso izy nandritra ireo fiainany sisa. Ary nanoratra boky maro, anisan’ireo vakoka maneho ny fahaizany olombelona manazava ny finoana ary ireo asa sorany ireo dia loharanon-kevitra tsy maintsy ampiasain’ireo mpandalina ny filôzôfia sy ny teôlôjia. Talohan’ny nahafatesan’i Augustin dia nandeha nitoka-monina izy. Izy sy Andriamanintra irery ihany, tamim-pahaginana tanteraka, azo heverina fa efa fanandramany sahady ny fahasambaran’ny fianana mandrakizay izany.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...