27 aogositra — Teraka tao Thagaste tamin’ny taona 331 i Masimbavy Monique. I Thagaste moa dia ilay antsoina hoe Souk Ahras ao Algerie amin’izao fotoana izao. Ary nodimandry tao Ostie i Monique ny taona 390.
Araka ny fitantaran’i Masindahy Augustin ao amin’ny asa sorany hoe Confession, i Monique dia renim-pianakaviana kristianina, fanakan-tahaka ; nijaly am-panambadiana izy, i Patricius no vadiny, tsy mpino izy io sady mahery setra no mampirafy ary manao didy jadona. Ny rafozan’i Monique ihany koa dia nira-nonina tamin’izy ireo ary mamo lava. Tamim-paharetana sy fandraisana adidy ary andraikitra no niainan’i Monique izany fiainam-pianakaviana izany ary farany dia vitany ny nampandroso ny vadiny nandray ny sakramentan’ny batemy, herintaona talohan’ny nahafatesan’i Patricius ny taona 371.
Tsy nijanona teo anefa ny adidin’i Monique fa anisan’ny nahakely aina azy sy nampanahy azy be ihany koa ny toetra tsy mendrika nananan’i Augustin zanany izay niavaka tamin’ireo telo miandahy zanany. Nisy fotoana mantsy i Augustin, nanaraka ny fivavahan’ny manichéisme, izay mifanohitra amin’ny kristianina. Efa saika nanary toky i Monique fa hoe mbola tsy tonga ny ora fibebahan’ity zanany ity. Nefa tao ihany ny faniriany, satria rehefa nandao an’i Carthage ho any Roma sy Milan i Augustin mba hanohy fianarana dia nanaraka azy i Monique ary nahita izany fibebahana izany. Marihina fa ny fifanenan’i Augustin tamin’i Ambroise evekan’i Milan no namoha ny fanahiny ka nampibebaka azy. Rehefa vita batemy i Augustin dia niverina ho any Thagaste i Monique ka alohan’ny hiampitany ho ao Afrika dia nodimandry tao Ostie izy ny 397.
Vehivavy malemy fanahy sy milamina, tia fanginana i Monique. Ambara fa mpiaro ny vehivavy sy ny reny izy, antsoina ihany koa izy hivavaka mba ho tsara fiterahana. Nanomboka ny taonjato fahafolo dia niseho ny fanajana azy izay nentanin’ny fiakambanana Augustin. Ny sary famantarana azy dia vehivavy manao fanamian-drelijozy augustinina mitondra ny boky fitsipi-piainan’ny fikambanana ary hazofijaliana.