26 aogositra — I Zefferino Namuncura dia teraka tamin’ny 26 aogositra 1896 tao Chimpai. Zanak’i Manuel Namuncura izy, fanta-daza tamin’ny tamin’ny fokon’ireo Mapuche izany rainy izany, any amin’ny faritr’i Río Colorado.

Azo zaraina telo ny fiainan’i Zefferino : ny fahazazany teo amin’ny fiaraha-monina misy azy, ny fianany nanomboka teo amin’ny faha-11 taonany ary ny nandraisany ny safidy ka nahatonga azy nianatra tao amin’ny sekoly salezianina tao Buenos Aires sy Viedma. Teo no namaliany ny antson’Andriamanitra ho pretra. Ary ny fiainany nanomboka teo amin’ny faha-18 taonany, nizakany ny hirifirin’ny aretina, nanantena fahasitranana nefa vao teo amin’ny faha-19 taonany ny taona 1905 dia nodimandry.

Raha hiverenana ny fahazazan’i Zefferino Namuncura dia ny 24 desambra 1888 izy no natao batemy, Rosaría Burgos no anaran-dreniny, vady fahefatr’i Manuel Namuncura izy satria fomban’ny fokon’izy ireo tamin’izany ny manambady maro. Tena niasa ny Fanahy Masina, satria ireo ray aman-drenin’i Zefferino izay tsy kristianina akory dia nanaiky sy nisokatra tamin’ireo fampianaran’ny misionera voalohany tany amin’ny toerana misy azy. Niaina tao anatin’ny fahantrana i Zefferino. Ny trano izay nitoeran’izy ireo dia efitra iray sady fandriana no trano fihinana ary trano fiasana ihany koa rehefa avy ny orana. Tsy ampy iveloman’izy ireo ny karama isam-bolana raisin’i Manuel ka voatery mamboly sy miompy izy.

Teo amin’ny faha-11 taonany dia netin’ny rainy hanohy ny fianarana tany amin’ny “Ateliers nationaux de la marine” izy. Tsy izany velively anefa no faniriany ka nitomany izy ary niteny tamin’i Manuel hoe : “Tsy ho tamana eto na oviana na oviana aho”. Nankany aminy olom-panan-tany antsoina hoe Luis Sainz Pena i Manuel mba hitady vahaolana. Nanoratra tany amin’ny talen’ny sekoly salezianina io olona io mba handray an’i Zefferino. Tsy nisy ny olana ka dia afaka nanohy ny fianarana izy. Nahita tontolo vaovao. Somary sahirana izy teo am-piandohana, fa nampian’ireo namany sy ny mpitantana ara-panahy ka tsy nisy olana firy avy eo.

Nitombo fahaizana sy fahendrena i Zefferino saingy teo amin’ny faha-16 taonany dia nahitana ny famantarana fa voan’ny aretina raboka izy. Nanohy ny fianarany tao Viedma izy ary nitsabo tena. Ny 06 jolay 1904 no niainga mba hiazo an’i Italie amin’izany fitsaboana izany. Ny 13 aogositra izy no tao Turin ary nijanona tao hatramin’ny 19 novambra 1904. Nifindra tany Roma izy avy eo, rehefa niombo ny aretina dia nanapa-kevitra ny lehibe fa ho tsaboina any amin’ny hopitaly i Zefferino manomboka ny 28 marsa. Nanoratra taratasy fangatahana tsodrano tany amin’ny rainy, ary ny 11 mey 1905 izy no nodimandry. Nentina tany amin’ny bazilikan’ny Sacré-Coeur, ary avy eo nalevina tao Campo Verano tao Roma. Folo taona tao aorian’izay, ny 06 mey 1915, navadika izy ka nafindra tamin’ny vata vita amin’ny vy fotsy ny taolambalony.

Nanana toetra niavahany tamin’ny mpiray tampo aminy i Zefferino : ny fahaizana, ny fandinihana ary ny zotom-po, eo ihany koa ny fandalana ny fiadanana sy ny filaminana. Nanaja sy nanampy ray aman-dreniny izy ary indrindra teo amin’ny fanaovana ny raharaha ao an-trano nefa ny mpiray tampo aminy variana milalao. Tovolahy matotra i Zefferino fa ny tena nahavariana teo amin’ny fianany dia izy saika lasan’ny rano satria efa lasan’ny onja, kinanjo natsipin’ny onja ka nahazo ny moron’ny ranomasina.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...