♦ Antontan-taratasy firotsahan-ko fidian'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa, Andriambolanarivo Parisoa ihany, no voarain'ny OVEC ho an'ny Kaominina Imerintsiatosika... ♦ Zara raha manondrana ny ampahafolon'ny vokatra trondro azo avy amin'ny jono i Madagasikara, isan-taona... ♦ Mbola misedra olana amin'ny fisitrahana rano madio fisotro sy toeram-pivoahana sy fidiovana ny any ambanivohitra...
♦ Miisa fito ireo nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Enin-dahy sy vavy tokana... ♦ Tsy isan'ireo hifaninana ary tsy hanohana kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra Ramatoa Rakotomnaga Rinah... ♦ Mbola tsy anio no hifarana ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mitombo hatrany koa ireo faritra manao hetsika maneho tsy fahafaliana amin'ny tsy fisian-jiro sy rano...
♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...
♦ Nanatitra ny antontan-taratasy amin'ny firotsahan-kofidiana teny amin'ny OVEC Isotry androany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, mitarika ny lisitra Tia Tanindrazana amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hisitraka tohana amin'ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana ary tohana amin'ny fitsinjovana ny voina ateraky ny loza voajanahary ireo EPP anatin'ny boriborin-tany miisa telo ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany ny Vovonam-pikambanana Fampivoarana ny Tantsaha na ny FIFATA. Maherin'ny 3.000 isa ireo tantsaha mivondrona ao aminy mihaona sy mifanakalo traik'efa ao Antsirabe...
Misy adidy sy andraikira miandry antsika rehetra, indrindra ny fifanitsiana amin'izay mety ho tsy fetezan-javatra : ara-pitondran-tena, ara-pitantanana... Ny fitiavana dia tandindon'ny safidy, ary izy io dia avy amin'Andriamanitra. Ny fifanajana sy ny fampitovian-jo ny rehetra dia isan'ny singa fototra ahafahana mampandroso ; ilàna toe-tsaina mendrika sy mampisongadina ny maha-Malagasy anefa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva ny fahafahan'ireo maniry ho kandidà amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana any amin'ny OVEC manerana ny nosy. Manodidina ny 30.000 ireo olona mirotsaka ho fidiana anatin'ny lisitra 2.900 isa... ♦ Mitera-doza ho an'ny fiaraha-monina ny vaovao tsy marina tonga any aminy. Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao anatin'ny zotram-pifidianana izao hoy ny vovonana VaovaoCheck... ♦ Nidina ifotony teny Andralanitra nijery ny zava-misy ny PDS ao Antananarivo-renivohitra Ramanantsoa Harilala. Manomana tetik'asa handrindrana ny fako ao Andralanitra ny mpitondra fanjakàna sy ny kaominina...
♦ Miisa 29.978 irao olona mpilatsaka ho fidiana voarain'ny OVEC miisa 120, hatramin'ny androany... ♦ Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao antain'ny zotram-pifidianana izao, manolona ny vaovao tsy marina miparitaka eny amin'ny fiaraha-monina sy ny tambajotra sôsialy... ♦ Tsy eken'ny RMDM, izay mety ho fikasana hanemotra indray ny datim-pifidianana, sy ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny fahafahana mampiasa “ordonnance”...
♦ Kaominina Ambohimanga Rova : Tsy manaiky ny hanatanterahana ilay tetik'asa fanamboarana ny lalam-be mikodàna ireo mponina avy amin'ny Fokontany miisa 7 voakasika amin'izany, hitohy rahampitso indray ny fitokonana ataon'izy ireo... ♦ Ireo fanadinam-panjakàna ho amin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity : tanterahina ny 17 jona ny fanadinana CEPE 6éme, raha ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay 2025 ny fanadinana BEPC 2nd... ♦ Manentana ny vehivavy rehetra hanara-maso ny toe-pahasalamana hisorohana ny aretina homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny Fondation Akbaraly sy ny Association Fitia...
Boky Eksaody (Eks 23, 20-23a)
Izao no lazain’ny Tompo:
“Indro Aho maniraka anjely eo alohanao,
hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony;
aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy,
satria ny anarako no ao aminy.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko,
dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Fa mandeha eo anoloanao ny anjeliko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal 90, 1-2. 3-4. 5-6. 10-11
‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’Ilay Avo,
velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
“O, ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho”
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
‘Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Ary ‘zany fahamarinany moa ts’ilay fiarovan-tratra:
Na raha alina ka tojo ‘rony amboa manao andia, na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
Na misoko te handringana amin’ny haizina ny loza.
Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.
Ka ny tena tsy mba tran’irony loza mahafaty;
‘zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra
mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:
“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”
Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy:
“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Solontenan'ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara : Tsy mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena ary manaja ny fiandrianam-pirenena Malagasy araka ny fanambarana navoakan'izy ireo omaly... ♦ Iray andro mialoha ny hikatonan'ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo kandidà maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina, mbola misy 400 eo ireo kaominina tsy manana kandidà... ♦ Hatsaraina sy havaozina ny drafitr'asa mirakitra ny paik'ady ho an'ny faditseranana Malagasy, miditra amin'ny andro faharoa anio ny fankan-kevitra momba izany tanterahina eny amin'ny Ibis Ankorondrano... ♦ Any Etats-Unis : Fiaramanidina roa no nifandona teny an'habakabak'i Californie ny alahady teo...
♦ Hatsaraina sy havaozina ny drafitr'asa mirakitra ny paikady ho an'ny fandintseranana malagasy. Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny telo andro nanomboka androany ny atrikasa fakan-kevitra momba izany... ♦ Mihazakazaka manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiany amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ireo maniry ho kandidà. Roa andro mialoha ny daty farany dia 2.400 mahery ireo efa nametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC amin'ny kaominina 1.281... ♦ Miofana mandritra ny tapa-bolana eny Vontovorona ireo teknisiana sy mpikaroka momba ny aretina tazomoka...
Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpj 5, 1-14)
I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria
dia lehilahy manam-pahefana sy to teny teo amin’ny tompony,
fa izy no namonjen’ny Tompo ny Sirianina;
nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.
Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka,
ary nitondra zazavavikely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely,
izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.
Ary hoy io tamin’ny mpanompovaviny:
“Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy,
dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!”
Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony hoe:
“Izao sy izao no nolazain’ilay zazavavy kely,
avy amin’ny tanin’i Israely.”
Dia hoy ny mpanjakan’i Siria:
“Makanesa any,
ary ampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely”.
Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsy folo, sy volamena enina arivo sikla,
ary akanjo impolo miova.
Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe:
“Rehefa tonga ety aminao àry ity taratasy ity,
dia indro hofantarinao fa nirahiko ho aty aminao i Naamàna mpanompoko,
mba hositraninao amin’ny habokany”.
Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy
dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy:
“Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona
no anirahan’ilay iny olona ho aty amiko hositraniko amin’ny habokany?
Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.”
Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe:
notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany,
dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe:
“Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao?
Aoka hankaty amiko izy
dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.”
Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny,
ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.
Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe:
“Mandehana mandro impito ao Jordany,
fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.”
Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe:
“Indro aho nanao anakam-po hoe:
hivoaka hankaty amiko izy,
ny tenany no hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’ny Tompo Andriamaniny
sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.
Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy Farfara onin’i Damasa?
Tsy mahazo mandro amin’ireo va aho, ka hadio?”
Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.
Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy hoe:
“Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany nataonao
moa tsy ho nataonao ihany va?
Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao:
Mandroa dia hadio ianao!”
Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra
ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{Salamo fandinihana}
Tompo ô, henoy vavaka aho!
Aoka ho tonga aminao ny tarainako!
Aza anafenan-tava aho
amin’ny andro fahoriako
Itongilano sofina, valio faingana,
amin’ny andro iantsoako.
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’ilay norobaina,
tsy hanosika ny talohan’izy ireo.
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary!
Avy any an-toerany masina ambony Izy no mitsinjo:
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Taratasin’i Masindahy Jakôba (Jak. 5, 13-16)
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaka atao am-pinoana hamonjy ny marary;
dia hanamaivana ny rofiny ny Tompo, ary hamela izay heloka vitany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny aretintsika no nentin’i Kristy ary ny fahoriantsika no nivesarany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 40-45)
Tamin’izany andro izany nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety aho, madiova ianao”.
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza Ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco