Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 37, 3-4. 12-13a. 17b-28)

Indry ery ilay mpanonofy; andeha ho vonointsika izy.

Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Jôsefa,
fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.
Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa,
dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.
Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Jôsefa.
Ka hoy i Israely tamin’i Jôsefa:

“Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao.
Ka avia ianao hirahiko ho any amin’izy ireo.”

Dia lasa i Jôsefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dotaïna.
Mbola lavitra izy, dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny,
dia niray tetika hamono azy izy ireo.
Nifampiteny toy izao izy ireo:

“Indry ery ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny.
Andeha hovonointsika izy,
ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto,
sy holazaintsika hoe:
nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.”

Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy:

“Aza mamono azy isika,”

Hoy i Robena tamin’izy ireo:

“Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy.
Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.”

Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo,
mba hampodiany azy ho any amin-drainy.
Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa dia nendahiny ny akanjony,
ilay akanjo lava fitondrany.
Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka;
ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano.
Ary dia nipetraka nihinana izy ireo.
Nony natopiny ny masony,
dia hitany fa indreny misy Ismaelita niray dia, avy any Galaada;
ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragàla, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanòma,
ndeha havariny any Ejipta.
Ka hoy i Jodà tamin’ireo rahalahiny:

“Inona no soa azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny rany isika?
Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy,
fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.”

Dia nihaino azy, ireo rahalahiny.
Ka nony nandalo ireo mpandrato Madianita,
dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Jôsefa,
dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita,
ka nentin’ireo nankany Ejipta.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 104, 16-17. 18-19. 20-21)

Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Nantsoiny ho amin’ny tany ny mosary;
notapahiny avokoa ny fitohiza-mofo.
Nandefa lehilahy iray hialoha Azy Izy:
dia i Jôsefa izay namidy ho ankizilahin’olona.

Voababo: ka ny tangotra voagadra,
ny vozona voahodidina vy
hatramin’ilay fotoana nahatò ny teniny,
nirotsahan’ny Tompo hanamarina azy!

Koa naniraka hamaha azy ny Mpanjaka;
nampanafaka azy ny Mpifehy vahoaka:
nataony tompon’ny tranony izy,
sy mpanapaka ny fananany rehetra.

Evanjely

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

Ity ny mpandova, andeha hovonointsika izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Mihainoa ity fanoharana hafa ity koa ianareo:
Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka,
namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo,
ary nanao tilikambo;
dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.
Nony tonga ny taom-pahavokarana,
dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny,
handray ny vokatry ny tanim-boalobony
fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizilahiny,
ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy,
fa nataony toraka izany ihany koa.
Nony farany, dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy,
fa hoy izy:

‘Hanaja ny zanako izy.’

Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy,
dia nifampilaza izy ireo hoe:

‘Ity ny mpandova, andeha hovonointsika izy,
dia ho lasantsika ny lovany.’

Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka, ary novonoiny.
Koa rahefa tonga ilay tompon’ny tanim-boaloboka,
hataony ahoana moa zany mpiasa izany?”

Hoy ireo taminy:

“Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany,
ary ny tanim-boalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa,
izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe:

Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro;

avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?
Noho izany dia lazaiko aminareo,
fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra
ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.”

Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina,
dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany,
ka nitady hisambotra Azy;
saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...