♦ Nomarihina ny 26 nôvambra 2023 ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Notokanana omaly ny EKAR Masindahy Jacques Berthieu ao Toamasina... ♦ Nanasa ny rehetra hitondra am-bavaka ny diany any Dubaï ny Papa François...
29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 5, 1-6. 13-14. 16-17. 23-28)
Tamin’izany andro izany,
nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka,
ho an’ireo tompo-menakeliny arivo lahy:
ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy.
Nentanin’ny divay i Baltazara,
dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokôdônôzôra rainy,
teny an-tempoly izay ao Jerosalema,
mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompo-menakely
mbamin’ireo vadiny sy vaditsindranony.
Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin’ny tranon’Andriamanitra,
izay ao Jerosalema,
dia nisotro tamin’izany ny mpanjaka,
ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony.
Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy,
varahina sy vy, ary vato aman-kazo.
Tamin’izay,
dia nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra
tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana,
teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka,
ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany.
Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny,
nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny.
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniely.
Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniely hoe:
“Ianao va no ilay Daniely,
isan’ny babo avy any Jodà,
nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea?
Efa reko ny aminao,
fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra
sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina
sy fahendrena mahagaga.
Ary izaho efa nandre ny aminao
fa mahay milaza hevi-javatra,
sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao;
koa raha mahavaky io soratra io ianao,
sy mahalaza amiko ny heviny dia hampitafìna jaky,
hasiana rojo volamena ny vozonao,
ary ho mpifehy fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.”
Dia niteny i Daniely,
ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe:
“Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao
ary omeo ny hafa ny fanatitrao.
Fa ny voasoratra hovakìko amin’ny mpanjaka ihany,
ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.
Nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao,
nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony,
ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompo-menakelinao
mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao,
noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina,
vy sy vato aman-kazo izay tsy mahita,
na mahare, na mahalala na inona na inona akory;
fa ilay Andriamanitra tompon’ny fofon’ainao
sy iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao!
Dia tamin’izany no nanirahana io tendron-tanana io
avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao.
Ary izao no soratra voalahatra:‘Mene, Mené, Tekel, ary Parsin!’
Ka izao no hevitr’ireo teny ireo:
Mené (voaisa):
nisain’Andriamanitra ny fanjakanao dia notaperiny.
Tekel (voalanja):
nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana.
Parsin (voazara):
hozaraina ny fanjakanao,
ka homena ny Meda sy ny Persa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 62 sy 63. 64 sy 65. 66 sy 67
Masoandro amam-bolana:
isaory ny Tompo!
Ry kintan’ny lanitra:
isaory ny Tompo!
Ry andro aman’orana:
isaory ny Tompo!
E rivo-mahery:
isaory ny Tompo!
Hain’andro sy afo:
isaory ny Tompo!
Fanala sy hatsiaka:
isaory ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Hosamborina ianareo, hoenjehina,
hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana
noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo,
dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo
ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo
dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
28 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
♦ Anio amin'ny sisasak'alina no hifarana ny fandraisan'ny HCC ireo fitoriana momba ireo tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny fifidianana farany teo. Fitoriana miisa 9 no efa voarain'izy ireo hatramin'ny faran'ny herinandro teo... ♦Nanjakàn'ny kolikoly sy ny vola ny fifidianana ny 16 nôvambra teo, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Namoaka ny fahitany iny fifidianana iny izy ireo ny sabotsy teo, taorian'ny namoahan'ny Ceni ny vokatra vonjimaika... ♦ Raisin'ny Randrana Sendikaly h fampitahorana ny nampiakarana fitsaràna ny mpitarika azy ireo ny herinandro teo. Milaza ny tsy hampihemotra azy ireo amin'ny fitakiana ho amin'ny tombontsoan'ny mpiasa anefa iny zava-nitranga iny...
Ny kabary dia antoko iray lehibe ao amin'ny karazan-dahabolana malagasy. Lahateny atao ampahibemaso, enti-mampitra vaovao sy ny tsara ho fantatra eo amin'ny tany ama-monina sy eo amin'ny tany sy fanjakàna. Ny kabary dia avy amin'ny voambolana arabo "kabar" izay midika zava-baovao na filazana, na koa voambolana Soahily "khabai" na "h'abari" na teny Malay "Kabar" izay samy midika ho zava-baovao, vaovao na filazana ny heviny. Ny Kabary dia zava-kanto vita amin'ny teny, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hainteny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenenana...
♦ Nandresy fihodinana voalohany tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny kandidà Andry Rajoelina, raha ny vokatra feno vonjimaika navoakan'ny CENI ny Sabotsy teo. Nilaza ny fahavononany hampitambatra ny Malagasy rehetra izy ary tsy hanao fanilikilihana sy fanavahana... ♦ Nitsipaka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan'ny CENI ny sabotsy teo ny avy amin'ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko. Tonga nialoha nanontany fampitahàna an-tsoratra izy ireo, saika tsy nanatrika ny famoahan'ny ceni ny vokatra vonjimaika... ♦ Nomarihana y sabotsy teo ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fanafoanana ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy eny anivon'ny toeram-piasàna...
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)
Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:
“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61
Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:
“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”
Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”
Ka hoy i Jesoa hoe:
“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,
fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”
Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:
“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny Fisehon'ny Pesta : mafana hoditra, marary andoha, reraka tampoka ny marary. Misy karazany roa ny pesta : pesta atoditarimo sy pesta aretitratra. Fambara amin'ny pesta atoditarimo : mivonto ny helika, mivonto ny tenda, mivonto ny foto-pe. Fambara pesta aretitratra : rehoka misy piti-dra, mikohoka, marary ny tratra. Maimaimpoana ny fitsaboana ny pesta eny amin'ny tobim-pahasalamana ka raha vao misy tranga mampiahiahay dia tsara hatrany ny manatona ny toeram-pitsaboana. Ny pesta dia mamono ao anatin'ny andro vitsy raha vao tsy voatsabo ara-potoana. Amin'ny fotoanan'ny fisian'ny doro-tanety sy ny maitso ahitra ary ny fivangongon'ny fako no tena mampirongatra ny pesta noho ny voalavo miakatra an-tanety sy miditra an-trano...
Ny fanaovana pôlitika dia firotsahana handrindra ny lafin-kery rehetra satria "maro sady tsy mitovy ny olona ka rariny raha samy manana ny heviny izy ireo". Samy mirona amin'ny saim-patany avy ny olona ka ilaina ny hisian'ny fahefana anankiray afaka hampirindra ny herin'ny daholo ho amin'ny soa iombonana mba tsy ho rava ny fanjakàna. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny fahefana politika dia miantoka izay hampirindra ary hampisy ny fiainan'ny ankohonana miara-belona ; tsy misolo vaika ny isam-batan'olona, nany vondron'olona, fa mandamina sy mitari-dàlana, ao anatin'ny fifanajana sy fiahiana ny fahefan'ny tsirairay sy ny vondron'olona, mba hahatomombana ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Natao hanasoa ny vahoaka mba ho afa-miaina tsara ny fanjakàna ; koa "na manahoana na manahoana dia mifanohitra amin'ny maha-olona mihitsy ny hahatonga ny fanjakana ho tsy refesi-mandidy na hanao didiko fe-lehibe ; voahitsakitsaka mafy amin'izany ny zon'ny olona sy ny mpiara-monina". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco