Nampikaikaika ny maro ny tsy fisian’ny orana nandritra ny volana maromaro. Nandrasana nandritra ny volana novambra, desambra, fa tsy nisy na dia herikerika kely aza. Maina ny tany, nilaharana ireny toeram-pantsakana ireny, nampitaraina sy nampijaly ny mponina ny filaharana rano hatramin’ny roa ora maraina, nikatso ny fambolena, taraiky ny fotoam-panetsana. Nigadona ny janoary. Indro fa tonga ilay nandrasana hatry ny ela. Vao indray nirotsaka nandritra ny ora vitsy anefa ny orana ho an’ny tao andrenivohitra, dia dibo-drano avokoa izay rehetra naleha.

Velona teo ny ahiahy, dia ahoana ny mety ho tohin’ny raharaha rehefa tena mirotsaka tokoa ny orana? Io izy io, iarahan’ny rehetra miaina, maso miara mahita, tsy hita izay ho sarangotina noho ny fiakaran’ny rano, ny fisian’ny traboina, ireo rava fananana vokatry ny fianjeran’ny trano, iri-mahaory ilay rano nampijaly! Ny mahavariana dia tsy olana vaovao, fa zavatra efa iainana isaky ny vanim-potoam-pahavaratra isan-taona ny fiakaran’ny rano sy ny fisian’ny traboina.

Antony maro no mahatonga ny fiakaran’ny rano raha tsy hilaza afa-tsy ny fitavozavozana amin’ny fandraisana andraikitra. Tsy misy ohatra ny fanadiovana ireny lakan-drano izay tsentsin’ny fotaka sy ny fako ireny mialoha ny vanim-potoam-pahavaratra, fa rehefa akaiky ny orana vao mody manomboka miasa. Toa zary politika tia sehoseho. Eo koa ny fanotorana tany ataon’ireo mahitahita ka na ny tompon’andraikitra mahefa aza dia tsy mahasahy mandray fepetra noho ny fisian’ny olona sasany milaza ho mahalala olona ambony, ka na voarara izao aza ny fanotorana tany, dia mitohy toy ny tsy misy fandrarana izany ho an’ireo milaza ho mahalala ny filoha. Tsy miafina amin’ny rehetra fa mihamihena hatrany ny velaran'ny lemaka, izay tsy azo adinoina fa fiandronan'ny rano avy amin'ny toerana avo. Ny fotodrafitr'asa famoahana rano nefa tsy mifanaraka amin’ny fanotofana intsony. Ny efa misy aza tototra vokatry ny fanorenana. Tsy mahagaga raha dobo rano ao anatin'ny fotoana fohy rehefa avy ny orana.

Tantara efa nisy sy niainana ity resaka fahalalana olona ambony rehefa hanototra tany ity tamin’ny ampamoaka nataona minisitra iray nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny mpisolo-toerana, saingy tantara nivalona tsy nisy tohiny na fanadihadihana akory.

Fa isan’ny tena antony mampiakatra ny rano ihany koa ny fisian’ny fanorenana tsy ara-dalàna eny ambonin’ireny lakan-drano ireny. Vao tsy ela akory fa ny herinandro lasa teo ny Filoha Malagasy no nanome toro-marika ireo mpitantana ny tànana miainga any amin’ny Ben’ny tanana, ny Delegen’ny boriboritany, ny Solombavam-bahoaka, nandritra ny fidinanana ifotony nataony teny Anosibe sy Andavamamba, fa mila jerena sy handraisana fepetra ireo manao fanorenena tsy ara-dàlana, izay miteraka olana amin’ny fikorinan’ny rano araka ny tokony ho izy toy ny eny amin’ny lakan-drano C3 eny Anosibe hatrany Ambodimita.

Ankoatra ireo àry, tsy azo tsinontsiniavina ny fitombon’ny mponina izay tsy mifanaraka amin’ny foto-drafitr’asa misy. Nambaran’ny Filoha Malagasy fa raha natokana ho ana olona 3 hetsy ny foto-drafitr’asa ao andrenivohitra, dia tsy maharaka ny tolotra ny tinady ankehitriny noho ny fitombon’ny mponina izay efa mananika ny 3 tapitrisa. Manampy trotraka ireo rehetra ireo ny hambom-po politika diso toerana an’ireo mpitantana rehetra nifandimby, na hita ho mahasoa ny vahoaka aza ny fandaharan’asan’ny teo aloha dia toa sarotra ho an’ireo mpitondra vaovao ny manohy izany.

Tsy ny mpitondra irery anefa no tompon’antoka amin’izao voina mihatra noho ny fiakaran’ny rano izao fa tompon’antoka voalohany ihany koa isika vahoaka izay tena mandrora mitsilany. Mandrora mitsilany satria nahoana? Mandro ambony tsikoko ny ankamaroantsika. Isika ihany no tsy mahalala madio sy tsy mitandro ny fahadiovana, isika ihany no manary fako anatin’ireny lakan-drano ireny raha tsy hilaza ny zava-misy eny amin’iny làlana Anosibe iny, anaty tatatra no manary fako sy rano maloto ireo mponina eny amin’ny manodidina, eny manary hatramin’ny maloto mihitsy aza. Tena olom-pirenena marina ve isika vahoaka? Tena mpitondra marina ve ny mpitanana ny tanàna? Raha tsy misy fitsinjovana ny ho avy manko ny zavatra ataontsika, dia mazava ho azy fa tsy olom-pirenena marina ny vahoaka ary tsy mpitondra marina ny mpitantana ny tanàna.

Mba mahay manotany tena ve isika hoe aiza ho aiza amin’izao ny andraikitra manandrify ahy? Tsy tokony hisy andraso andraso fa samy mandray ny fepetra manandrify azy na ny mpitondra mahefa isan’ambaratongany na ny vahoaka entina. Tsy hiandry ny hafa tsy hanao, fa mba samy manao izay vita e. Tanàna iaraha-manana ity. Mila samy manova toe-tsaina: angony, dory, ento mody ny fako fa aza ariana etsy sy eroa. Diovy ny manodidina anao, araho ny lalàn’ny fanorenana, miainga amiko sy aminao ny fampandrosoana ny tanàna. Ny fanajana ireo rehetra ireo no ahafahana miatrika ny ambana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, hisorohana ny fiakaran’ny rano sy ny fisian’ny traboina. Ohatra akaiky azontsika raisina ny nanjo ny Nosy La Réunion: na hita fa efa mandroso aza dia mbola misedra olana noho ny fisian’ny rivo-doza tao aminy, mainka fa isika eto Madagasikara izay sady tsy niomana na amin’ny foto-drafitr’asa, na ny fanadiovana lakan-drano raha sanatria tojo ny trangan-javatra tahaka ireny, tsy ho traboina eto avokoa isika mianankavy? Ny fisorohana mialoha, ny fandraisana andraikitra, ny fanovana toe-tsaina, ny fitsinjovana ny tombotsoa iraisana no arofanina hisorohantsika amin’ny vanim-potoam-pahavaratra amin’ny taona ho avy ny fiakaran’ny rano sy ny fisian’ny traboina vokatr’izany. Samia mandinika sy mamakafaka, mandray ny manandrify ny tena ary hiala amin’ny fifanomezan-tsiny. Am-bava homana am-po miheritreritra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...