Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 3, 27-34)

Ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’ny Tompo.

Anaka, aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,
raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Aza manao amin’ny namanao hoe:

“Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome”,

raha azonao atao ny manome eo no ho eo.
Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,
rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.
Aza mifanditra foana aman’olona,
raha tsy nahavita ratsy taminao izy.
Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,
na mifidy izay lalana ombany kely akory;
satria halan’ny Tompo ny olon-dratsy fanahy,
fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
Ny ozon’ny Tompo dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;
fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Mananihany izay mpananihany Izy;
ary manome fahasoavana izay manetry tena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5

Zovy no honina ao am-bohitrao masina, ry Tompo?

Dia izay mizotra tsy aman-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-po,
tsy mamela ny lela haniasia.

Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo.

Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 2, 12. 17-20)

Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka Izy.

Izao no holazain’ny tsy mpino:
Ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy,
manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikana ny lalàna,
ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika.
Aoka hozahantsika raha marina ny filazany,
ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialàna amin’ity fiainana ity.
Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy,
ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.
Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe,
hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!
Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy,
satria araka ny filazany dia hoahìn’Andriamanitra izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 53, 3-4. 5. 6 sy 8

Ny Tompo no Ilay Mpanohana ny fanahiko.

Vonjeo amin’ny Anaranao aho, Andriamanitra!
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko,
mampandria sofina amin’ny teniko.

Mpiavonavona no mitsangan-kamely,
olon-dozabe no mitady ny aina:
izay mba hihevitra an’Andriamanitra
tsy ao an-tsainy velively.

Indro Andriamanitra nanampy ahy
ny Tompo niahy ny fanahiko.
Koa tonga aho hanolotra sorona amin’ny hazavam-ponao.
Eny, ry Tompo, tonga aho hidera ny hasoan’ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 16 — 4, 3)

Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.

Ry kristianina havana, izay misy fialonana sy fifampiandaniana,
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana voka-tsoa,
tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fihavanana.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filandratsinareo;
ka tsy mahazo ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona... Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona,
dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy
raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”.

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra”.

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Niaina sy nandinika ny zava-boahary manodidina azy ny Ntaolo Malagasy. Ireny hita sy re, tamin'ny fiainana andavanandro ireny no nanakaran'izy ireo ny marika andro. Misy marika andro 34 isa teo amin'ny Ntaolo araka ny firaiketana hita nataon'ireo vahiny roa natao fampitahana dia izay volazan'i rév. Cousins William Edward sy mompera F. Callet. Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : maneno akoho tokana (3 ora maraina) mitatao vovonana (12ora atoandro)... 

♦ Mahatratra 25% ny taham-pialàna an-tsekoly ho an'ny toeram-pianarana sasany amin'izao fidiran'ny mpianatra izao. Maro ireo sekoly no efa nisantatra ny taom-pianarana vaovao manomboka amin'ity herinandro ity... ♦ Miverina ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Nambaran'ny orinasa Jirama fa mihena indray ny rano manodina ny milina mpamokatra herinaratra any Andekaleka... ♦ Nisy sambo tra-doza tany amin'ny fari-dranomasin'i Taolagnaro omaly vao maraim-be. Mpandeha iray tsy hita popoka, olona 29 hafa avotra soa amn-tsara... ♦ Goavam-be ny fidinana an-dalambse tany Israely omaly, manoloana ny ady amin'ny faritr'i Gaza, nitakiana ny hamotsorana ireo teratany israeliana ataon'ny Hamas takalon'aina...

Ny toetra nampiavaka ny fiangonana tany am-piandohana ny vavaka. Araka ny voasoratra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly 2,42 : Ary nazoto izy ireo tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin'ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra. Nahitana karazan'olona tao amin'ny fiangonana  : ireo mpanjono, ireo mpanana, ireo sahirana ara-pivelomana, pretra... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

♦ Nanomboka niditra androany ireo mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina sasany tao an-drenivohitra. Nambaran'ny tompon'andraikitry ny sekoly fa mipaka any amin'ny fampidirana ny mpianatra ny fahasahiranan'ny vahoaka... ♦ Nitombo ny fanjonoana antsatsa teto Madagasikara tao anatin'ny 20 taona. Raha 1.300 taonina izany ny taona 1995, lasa 35.000 taonina ny taona 2013. Natolotra androany ny drafitra nasiônaly ho fiarovana sy fitantanana maharitra ny antsatsa sy ny makoba...

♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina notontosaina teo amin'ny Kalverin'Ankaboka, tao amin'ny Distrika Misiôneran'i Manaratsandry, Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hotanterahana ny  6 ôktôbra 2024  ny ivon'ny fankalazana ny faha-130 taona niorenanan'ny fikambanan-dry Masera Carmelites de Sainte Thérèse de Turin, ka samy hanana ny endrika hankalazana izany avokoa ny ankohonam-piainana rehetra manerana an'i Madagasikara... ♦ Fanambin'ny Diôsezin'Ambositra ao anatin'ny 25 taona manaraka, ny fanamasinana ny fianakaviana sy ny tokantrano, araka ny nambaran'i Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan'Ambositra...

♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany nanoloana ny fihaonana roa samy hafa nataon'ny Paramed farany teo ny sekretera jeneralin'ny SSM... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny birao vaovaon'ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny fanatsarana ny fiarovana ireo vadintany, eo am-panatanterahana ny asany... ♦ Hanampy ny orinasa sy ny ministera ary ireo tanora mitady fizarana asa ny sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Nivoaka ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny fianjeran'ny angidimby nitondra ny filoha iraniana Ibrahim Raissi, ka nitarika ny fahafatesany...

♦ Raikitra ny fisamborana sy ny haza-lambo, ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika an'Anjozorobe, efa nisy tamin'ireo tompon'antoka tamin'ny fakana takalon'aina no voasambotra... ♦ Hirotsaka ho kandidà Ben'ny Tanàna ho an'i Toamasina ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Tsy maintsy harenina ny korotana ao amin'ny renivohitr'i Betsimisaraka hoy izy... ♦ Hametraka fomba fijery vaovao ho entina mampandroso ny firenena sy ny tontolo ambanivohitra ny  Sendikà Injeniera misahana ny fambolena sy ny fiompiana...

Ny boky ny Asan'ny Apôstôly no mitantara ny fivoaran'ny fiangonana Kristiana. Fandresena ho an'Andriamanitra ny fitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona, ary fanombohan'ny fanatanterahana fanjakan'Andriamanitra. Nitarika ireo Jody ny fampianarana nataon'ny Apôstôly. Ny sakramantan'ny Batemy amin'ny anaran'i Jesoa no famantarana maneho ny fidirana ho Kristiana.  Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Anisan'ny toetra iray mampiavaka ny vavaka ataon'i Jesoa ny fitokanany ho irery. Tsy hoe mandositra an'izao tontolo izao izay mivavaka mangina sy mitokana fa rehefa mitokana amin'ny toerana mangina isika amin'ny vavaka ataontsika dia maheno feo miafina any anatin'ny fontsika lalina indrindra any aza. Ny vavak'i Jesoa no toerana ahatsapantsika fa ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra ary miverina any aminy ihany. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Mbola tsy misy fihenany ny isan'ireo vehivavy tratry ny aretina mamany-lava mandalo fandidiana eny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Vehivavy 1/20 no mahazo fitsaboana eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Toamasina fa maimaimpoana ny saram-pisoratana anarana ho an'ny ankizy marefo any amin'ny sekolim-panjakàna manerana ny nosy... ♦ Miampy 9 isa indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo "Peaces Corps" nahavita fianianana hiasa amin'ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara. Hampianatra eny amin'ny Lycée sy ny Sekoly ambaratonga faharoa no andraikitr'izy ireo...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...