Vanim-potoana tsy mifanalavitra ny taom-baovao Malagasy sy ny paka samy mandalo fidiovana ary miafara amin'ny fifaliana, fiavaozana amin'ny lafiny maro (toetra - fo...) Ny saina sy ny fo mitambatra no  tonga fanahy amin'ny Malagasy. Samia miezaka hanatsahatra ny endriky ny faharatsiana, didy jadona, kolikoly tsimatimanota. Ny fahadiovana dia sady fanajànao ny tenanao no fanajàna ny hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦Miditra ao anatin'ny Hateloana Masina mialoha ny Paka na ny "Tridium Pascal" isika manomboka anio... ♦ Efa ôfisialy omaly hariva fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny alarobia 23 avrily izao. Io andro io izay voafaritra fa hahatongavan'ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara... ♦ Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitriny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Ministry ny Tontolo iainana omaly ; nitondra fanazavana Andriamatoa Andonirina Max Fontaine... ♦ Olona 6 no efa matin'ny aretina "Chykungunya" atsy amn'ny nosy La Réunion, tamin'ity taona ity...

Tsy mamelona fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa tena mitarika ny vahoaka ho any amin'ilay tanjon-kitodiany, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Io Fanjakàna io no natombok'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famondronany ny vahoakany eto an-tany ; Fanjakàna izay tsy maintsy itarina aty aoriana, ambaram-pahatapitry ny taona rehetra ; izay ilay maha-katôlika ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Nankahery ny pretra hijoro ho vavolombelon'ny fahasoavana azo avy amin'ny fanosorana, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny Sorona Masina nanamasinana ireo menaka masina androany teny amin'ny EKAR Antanimena... • Mbola tsy misitraka ny rano fisotro madio ny 40 isan-jaton'ny Malagasy hatramin'izao. Fantatra izany androany, nandritra ny fanokafana ny Herinandrom-pirenena momba ny rano... • Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitirny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine...

Ny fivoaram-piainan'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana homena azy. Ny hoe "mankatoa" dia ahitana foto-teny hoe "toa" manaiky amim-pitiavana. Tsapa amin'ny fihetsika sy ny teny ny fankatoavana ataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny antony mahatonga ny ankizy tsy hakantoa : ny fampitoviana ny fomba fiaina tamin'ny taona taloha sy ny ankehitriny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Miakatra fitsaràna ao Vatomandry amin'ity androany ity ireo olona miisa telo voasambotra nandritra ny hetsika fanoherana ny fametrahana samboadin'ireo ben'ny tanàna tany an-toerana ny sabotsy 12 avrily lasa teo... ♦ Efa mipetrapetraka avokoa ireo paik'ady hitandroana ny filaminana mandritra ny fivoriana fahadimin'ireo filoham-panjakàna aty amin'ny vaomieran'ny ranomasimbe indianina hoy ny talen'ny fiarovana sy ny angom-baovao anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Miisa 12 ankehitriny ireo vokatra vita eto an-toerana misitraka fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny vokatra avy any ivelany manimba ny tsena atao anatiny...

♦ Mikendry ny hanavaozana ireo fitaovam-pitiliana sy singa mandrafitra ny famantarana ny toetry ny andro ny tetik'asa SOFF, tetik'asa izay vatsian'ny PNUD vola hatrany amin'ny 5 tapitrisa Dollar... ♦ Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanavaozana izay nataon'ny Fanjakàna Malagasy tamin'ny FEC sy FRD hoy ny solotenan'ny iraky ny FMI tonga teto Madagasikara... ♦ Tokony hanana fanolorantena iombonana amin'ny fitantanana mahomby sy mangarahara ireo orinasa hananan'ny Fanjakàna petra-bola hoy ny Praiministra Ntsay Christian raha nihaona tamin'ireo mpikambana amin'ny filan-kevim-pitantanana an'ireo orinasa omaly...

Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Mampihena hatrany amin'ny 5 isan-jaton'ny PIB an'i Madagasikara, ny vola lany amin'ny voka-dratsin'ny loza voajanahary eto Madagasikara... • Hangatahana fiaraha-miasa amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Fokontany Behoririka, mba hisorohana ny loza niteraka faharatrana tahaka ny niseho androany teny an-toerana... • Hivoaka amin'ny 29 avrily izao ny didim-pitsarana ho an'ny Filohan'ny Sendika SIS FM...

♦ Tsy hita taratra indray ny fitsaharan'ny ady hevitra pôlitika amin'izao Herinandro Masina izao. Miezaka mamaly ny fanoherana hatrany ireo mpomba ny fitondràna, tato ho ato... ♦ Miomana sahady amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany eto Antananarivo ny eo anivon'ny Ministeran'ny rano. Hitondra fanazavàna momba ireo fiomanana efa atao ny Ministra... ♦ Nampisahotaka ny mponin'i Ilanivato omaly hariva ny tranga nisy teny an-toerana. Lehilahy iray non voatifitry ny Pôlisy, saingy nahatezitra ny mponina, izay tafavory maro poatoizay... ♦ Nanoso-kevitra vaovao hisian'ny fifanarahana fampitsaharana ny ady ao amin'ny faritra Gaza, amin'ny Hamas ny fitondrana Israelianina...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 44-52)

Indro hankany amin’ny jentily izahay.

Tamin’ny sabata nanaraka ny toritenin’i Paoly tao amin’ny sinagôga,
tany Antiôkia any Pisidia,
dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no navevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:

“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra;
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany.”

Faly ny jentily nony nandre izany,
ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra,
mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe,
sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma,
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Hitan’ny vazan-tany rehetra ny famonjen’ny Andriamanitray.

Ihirao antsa vao ny Tompo:
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!

Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika!

He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)

Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao,
dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko
dia ampy ho anay izany.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo,
dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 26-33)

Notanterahin’Andriamanitra ny teny napetraka tamin’ny Razantsika tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona.

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Pisidia any Antiôkia i Paoly,
dia niteny tao amin’ny Sinagôga nanao hoe:

“Ry rahalahy taranak’i Abrahama
sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa,
ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,
satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny
dia tsy nahalala Azy,
ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakìna isan-tsabata,
tamin’ny nanamelohany Azy;
ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo,
dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.
Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy,
vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.
Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy
avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy,
ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.
Ary izahay koa mitory aminareo
ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,
fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany,
tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona,
araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:
Zanako Ianao: Izaho no niteraka Anao androany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 2, 6-7. 8-9. 10-11

Zanako Ianao Izaho no niteraka Anao androany.

Izaho no nametraka Azy ho Mpanjaka
eo Siôna vohitro masina!
Koa ambarako ny didin’ny Tompo:
Zanako Ianao, hoy Izy mantsy Ahy: Izaho no niteraka Anao androany.

Angataho amiko fa homeko ho lovanao ireo firenena,
ny ho fanananao ny faran’ny tany!
Poteho amin-tehim-by ireny,
ataovy fanamontsana vilany tany!

Koa mahafantara, ianareo Mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo;
orohy amin-kovitra ny tongony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko;
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
ary rahefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.”

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no ahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...