Rotoroto, fanatontoloana no manjaka amin’ny fiainantsika ankehitriny. Miha ratsy ny fifandraisana eo amin’ny maha olona. Anisan’ny antoka manatsara ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana ny fisian’ny Hasina eo amin’ny tsirairay. Raha mahay manome Hasina ny tenanao ianao, dia azo antoka fa manome lanja anao ny hafa sy ny manodidina... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Izao no voalaza ao amin'ny kolosianina 3, 23 : na inona na inona ataonareo dia tontosao amin'ny fo tokoa, toy ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy aman'olona. Dingana tsy maintsy lalovana amin'ny fibeazana ny fianarana mba hanomanana ny ho avy. Izay rehetra mianatra dia tokony hitombo amin'ny maha-olona feno azy : vatana, saina, fanahy, fitiavana, finiavana, sitra-po... Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...
♦ Miandry ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona vao ho fantatra ny didim-pitsaràna momba ny raharaha anenjehana azy hoy ny mpisolovava miaro azy... ♦ Mamporisika ny vehivavy handray anjara amin'ny fifidianana, indrindra fa ny fifidianana ben'ny tanàna, ny filoham-boninahitry ny CNFM sy ny VMLF Ramatoa Ranampy Zenaïde... ♦ Miatrika ny ady amin'ny valala ny ao amin'ny distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Manatanteraka ny asa ny ao amin'ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara na ny IFVM... ♦ Maty vokatry ny zera baomban'ny israeliana ny zanakalahin'i lehiben'ny Hamas palestinian Ismaël Haniyeh miisa telo miampy ny zafikeliny miisa efatra...
♦ Hoamasinina ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo amin'ny volana mey ho avy izao i Mgr Rakotoharisoa Jean Claude. Manasa ny vahoakan'Andriamanitra hanatrika izany ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hifarana anio ny fahafahan'ireo kandidà voahiliky ny OVEC hitondra fitarainana eny amin'ny CENI foibe. Hamoaka ny lisitra ôfisialy ny CENI ny faha-16-ny volana aprily izao... ♦ Nandrotsaka kandidà miisa 40 amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao ny antoko AREMA. Isan'ny kandidà nirotsaka any amin'ny distrika Mahanoro ny sekretera nasiônaly Annick Ratsiraka... ♦ Namerina ny antso efa nataony hisian'ny filaminana ao Ukraine, ny Tany Masina ary ny any Birmanie ny Papa François tamin'ny audience général...
Ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy y fiteny mahazatra. Kanefa indraindray misy koa mametraka fanontaniana hoe : hiatrika fiainan-tokan-trano ve dia ilàna fianarana?. Hanambady ve dia ilàna diplaoma? fa moa ve hanabe ny zanany sy hanara-maso ny fianaran'ny zanany ny tanora nanao antsirambina ny fianarany?. Ny fahalalana no entina mampivoatra ny fianakaviana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia aretina azo avy amin'ny fifampikasohan'ny taovam-pananahana ary mifindra amin'ny taovan'olona iray. Ny ra mifampikasoka ihany koa dia mety ho fomba hifindran'ity aretina ity, fa misy koa ny tsiranoky ny taovam-pananahana. Mety mifindra amin'ny zaza entina am-bohoka ny aretina ao amin'ny reny bevohoka. Ny fifanorohana amin'ny vava ihany koa dia mety hamindra aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tafiditra tanteraka amin'ny drafitr'Andriamanitra hitantanany ny fiainan'ny zanak'olombelona ny maha lahy na ny maha vavy. Io indrindra no ilazàn'ny Baiboly hoe : "ary hitan'Andriamanitra fa tsara avokoa izay rehetra nataony" (Jenezy 1, 31). Tsy ampy ny mahalala hoe "lahy na vavy" fa ilaina ny manaiky ary mitaky fitondrantena mendrika sy mifanaraka amin'izany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Nihazo an'i Morombe androany, ny delegasiôna avy any Toliara, hanatrika ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy, an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Naneho hevitra tao amin'ny onjam-peo iraisam-pirenena frantsay na ny RFI, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tsy mitombina ny fitsarana nataon'ny HCC, hoy izy... ♦ Nanolotra zezika 2.000 taonina, hamatsiana ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara, ny Governemanta Sinoa, tamin'ny alalan'ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika...
20 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
♦ Amin'ny zoma izao no tokony hivoaka ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà ho solombavambahoaka isan-distrika. Tsy maintsy mametra-pialàna mialoha izay ireo ministra hirotsaka ho fidiana... ♦ Mitaky mangarahara ny Transparency International eto Madagasikara amin'izao fifidianana solombavambahoaka izao. Tokony hanana zo mitovy ny kandidà rehetra hoy izy ireo... ♦ Manahy tandrevaka amin'ny fanomanana ny fanadinam-panjakàna ny Vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. Efa nisy ny olana tamin'ny nandraisana ny fisoratana anaran'ireo mpiadina... ♦ Vahoaka an-tapitrisany maro omaly no afaka nihanoka ny fijerena "tako-masoandro" tany Etazonia, Canada hatrany Mexique...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 31-42)
Tamin’izany andro izany,
dia niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo
fa sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy,
no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina koa.
Tamin’izay,
raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera,
dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,
ka nahita lehilahy anankiray atao hoe i Enea,
izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,
ary nanao taminy hoe:
“Ry Enea;
mitsangàna ka amboary ny fandrianao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna,
dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe i Tabita,
na hoe Dôrkasy raha adika,
izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty;
ka nony avy nampandroina ny fatiny,
dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.
Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany;
ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera,
dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe:
“Aza miatoato hankatý aminay.”
Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo.
Nony tonga izy,
dia nentina tany amin’ny efitra ambony,
ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra,
izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo
nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra,
dia nandohalika izy ka nivavaka,
vao nanatrika ny faty nanao hoe:
“Ry Tabità, mitsangàna.”
Dia nahirany ny masony,
ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy,
sy nampitsangana azy;
dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena,
ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.
Niely eran’i Jôpe manontolo izany,
ka betsaka no nino ny Tompo.
Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe,
tao amin’ny mpandon-koditra atao hoe i Simôna.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 14-15. 16-17
Inona no havaliko ny Tompo,
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena;
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady iray nolazaiko,
hefaiko anatrehan’ny firenena.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie,
ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao,
satria aho mpanompo matoky Anao.
Fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho,
hiantsoako amy foko ny Anaranao.
Aleloia. Aleloia.
Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
Tamin’izany andro izany,
raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa,
dia nilaza hoe:
“Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay.”
Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe:
“Sarotra izany teny izany,
ka iza no mahahaino izany?”
Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony,
fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
“Manafintohina anareo va izany?
Hanao ahoana ianareo,
raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha.
Ny fanahy no mahavelona,
ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory;
ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.
Nefa misy tsy mino aminareo.”
Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany,
izay tsy hino sy izay hamadika Azy.
Ary hoy Izy:
“Izany no nilazako taminareo
fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.”
Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra,
ka tsy niaraka taminy intsony.
Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy:
“Ianareo koa va mba te-hiala?”
Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe:
“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay?
Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay;
ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco