♦ Nodimandry ny sabotsy teo ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakàna, Ministry ny Fitsaràna teo aloha, Alice Rajaonah. Nitondra ny teny fampiononana ary nankahery ny fianakaviany ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Manampy betsaka ireo ray aman-dreny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ny fanapahan-kevitry ny Ministera manome lalana ny sekolim-panakàna handray ireo zaza any an-tsekoly hoy ny DREN Atsinanana... ♦ Notsikerain'ny sendika FISEMARE sy ny randrana sendikaly nandritra ny hetsika nataon'izy ireo tamin'ny sabotsy teo ny fehezan-dalàna mifehy ny asa nankatoavin'ny fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana ny 8 septambra teo...
♦ Nanonona ny voady voalohany maha relijiozy salezianina azy omaly alahady ireo Nôvisy 14 mirahalahy. Nitarika ny Sorona Masina tety Ivato Mompera Alfredo Maravilla.... ♦ Hiditra an-tsekoly manomboka anio ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna sy ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara. 9 septambra fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pianarana 2024-2025... ♦ Hihaona amin'ny Kaomôro any Tonizia indray anio ny Barean'i Madagasikara. Andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana ao amin'ny vondrona "A" afahana mandray anjara amin'ny CAN 20245...
Ny vavaky ny kristiana dia amin'ny maha-olombelona tanteraka - mivavaka amin'ny maha-olombelona antsika isika - dia misy fiderana sy fitalahoana. Eny tokoa, rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesoa, dia nanao izany niaraka tamin’ny “Rainay” Izy, mba hametrahantsika ny tenantsika amin’Andriamanitra ao anatin’ny fifandraisana feno fahatokiana amin’ny maha-zanaka antsika, sy hametrahantsika ny fangatahana rehetra aminy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Hery manohana sy mampahomby ny asam-pitoriana ny Vaovao Mahavaly ny vavaka. Efa toetra nananan'ny Fiangonana hatrany am-piandohana y fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Samy nandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay : diakra, i Piera filohan'ny Apôstôly... Isan'ny karazany fahatelo tamin'ny asam-pitoriana ny nanitsiana ny fandikana vilana ny Evanjely... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Mila olom-banona, olom-pirenena, olom-piangonana ny vahoaka sy ny firenena indrindra ireo taranaka. Izany hoe olona mahatanteraka ny adidy, miezaka manampy ny hafa ho fanasoavana ny besinimaro. Raha ny tranganà kolikoly sy ny fanararaotana sy ny fanodikodiana volam-bahoaka no betsaka dia sarotra ny hampandroso firenena noho izany dia adidy ny famolavolana ny taranaka mba ho tombontsoa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Fanafihan'ny aretin'ny otrik'aretina na tsimok'aretina an'ireo lavaka atao hoe "sinus" eo amin'ny tarehy ; misy karazany efatra ireo lavaka ireo : Sinus maxillair, Sinus ethmoïdal, Sinus frontal, Sinus sphénoïdal. Antony hafa mahatonga ny sinusite : aretin'ny orona, tenda, nify, fahalotoan'ny rivo, faharefoan'ny hery fiarovana. Mikarazany roa ny sinusite : sinusite chronique, sinusite aigue. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Hanome famatsiam-bola mitentina 200 tapitrisa Yuans hanohanana tetik'asa samihafa eto Madagasikara i Chine, raha ny nambaran'ny filoha Sinoa Xi Xiping tamin'ny fihaonana tamin'ny filohan'ny repoblika Malagasy Andry Rajoelina omaly... ♦ Mifanandrify amin'ny politika ankapoben'ny fanjakàna ny fifaninana famoronana tetik'asa nokarakarain'ny Ravinala Airports, ka nanome tantsoroka tamin'izany ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy... ♦ Hiara-hiasa amin'ny C.P.L.A rafitra Camp des Programmmes de Leadership Africain ny Fikambanana Tsaravoatra, amin'ny fanofanana mahakasika ny tetik'asa eny anivon'ny fiaraha-monina...
Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
♦ Mitsidika eto Madagasikara hatramin'ny 9 septambra izao i Mopera Alfred Mara Villa, mpanolontsaina Jeneraly momba ny Misiona ao amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotra serasera facebook ny zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo omaly... ♦ Tsy manaja ny zon'ny Mpiasa ireo orinasa tantanan'ny vahiny sasany eto Madagasikara, raha ny fitarainana voarain'ny Sendika FISEMARE... ♦ Niala tany Jenine any amin'ny Faritr'i Cisjordanie ny tafika Israeliana, rehefa nanao hetsika ara-tafika goavana nandritra ny 10 andro tany an-toerana...
Resy lahatra ny Fiangonana teo am-piandohana fa asan'ny Fanahy Masina ny vavaka. Tsy misaraka amin'ny vavaka ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no nanentana an'ireo Kristiana voalohany hanana hafanam-po hivavaka. Ny Fanahy Masina no mahatomombana ny vavaka atao. Hoy Md Paoly Apôstôly : akaiky ny kristiana ny Fanahy Masina hanampy azy ireo raha sendra fahalemena... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara nanomboka ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024 i Mompera Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Handray fepetra manoloana ny famoahana vaovao tsy marina anaty tambazotran-tserasera Facebook, ny Zandarimariam-pirenena, raha ny nambaran'izy ireo androany... ♦ Miady amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ny Minisitera misahana ny asa. Najoro ny ivon-toerana Manjary Soa, mandray ireo ankizy tsy mianatra intsony ka niroso tamin'ny asa avy hatrany...
♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco