Tsy tokony ho menatra isika raha mahatsapa fa ilaina ny mivavaka. Ny vavaka fangatahana dia mandeha miaraka amin'ny fanekena ny fetrantsika sy ny toe-javatra misy amin'ny maha-zavaboary antsika. Ny Tompo no manome antsika, ary ny zavatra rehetra dia fahasoavana. Na izany aza, aoka isika tsy hanakana ny fangatahana mipoitra amin’ny vavaka... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...
Isika olombelona dia mizara izany antso fanampiana izany amin'ny zavaboary rehetra. Tsy isika irery no “mivavaka” eto amin’izao tontolo izao, izay tsy manam-petra izao : ny ampahany amin’ny zavaboary tsirairay dia mitondra ny faniriany amin'Andriamanitra. Mivavaka ny zavaboary rehetra, mivavaka sy mandohalika ny biby sy ny bibidia; rehefa mivoaka avy ao amin'ny tranony na zohy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Tambazotra FARMADA: Hatao manara-penitra ny fihofanana andrasaisan’ny daholobe anjara na ny “formation de masse” Miroso amin’ny dingana fanaraham-penitra ny fiofanana ny tambazotran’ireo mpampiofana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Namory an’ireo avy amin’ny ministera voakasika, ny avy amin’ny antenimieram-pirenena, ireo mpanapa-kevitra momba ny politika fampandrosoana ny eny ambanivohitra ary ny avy amin’ny ny vodrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia ny ben’ny tanàna, izy ireo ny 07 Septambra 2024....
Raha misy mahatsapa malahelo noho ny ratsy vitantsika dia mpanota izy - rehefa mivavaka manao "Rainay" izy dia efa manakaiky ny Tompo. Indraindray isika dia matoky tena fa tsy mila na inona na inona avy amin'Andriamanitra isika, fa ampy ho an’ny tenantsika ny ezaka ataontsika ary miaina ao anatin’ny fahaleovan-tena tanteraka. Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Mangataka, mitalaho dia tena maha olombelona izany. Araka ny voalazan'ny katesizy: amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no hanehoantsika ny fahatsiarovan-tena ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : ry zavaboary, tsy isika no fiaviantsika, na tompon’ny fahoriana, na tompon'ny fiafarana, fa mpanota, isika. fantaro , amin’ny maha Kristiana antsika, fa fangatahana dia efa fiverenana aminy Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ao amin’ny “Rainay” isika no mivavaka mba hahazo famelan-keloka – izay fanao isan’andro; mila famelan-keloka foana isika - dia ny fiadanana eo amin'ny fifandraisantsika; ary farany, mba hanampiany antsika amin’ny fakam-panahy sy hanafaka antsika amin’ny ratsy. Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny famantaranandron'ny Ntaolo dia miresaka ireo hita mandritra ny andro sy ny re mandritra ny alina ; ohatra : misafo helika ny kary dia amin'ny 2ora maraina. Tsy mitovy tanteraka ny marika andron'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy Madagasika. Ny fikisaky ny haloka no isan'ny nahafahan'ny Ntaolo nanamarika ny andro ihany koa ; ny haloka na ny tandidona lava indrindra rehefa maraina miposaka masoandro ho an'ny olona iray dia 28 dia, rehefa tonga ny amin'ny 12 ora ataondro dia 3 dia sisa ny aloha tazana eo ambanin'ny olona iray mijoro. Any amin'ny Faritra dia ny haloky ny trano no marika andro...
Ao amin’ny “Rainay” koa isika no mivavaka mba hahazo fanomezana tsotra kokoa, ho an’ny fanomezana isan’andro, toy ny “mofo isan’andro” - izay midika koa hoe fahasalamana, trano, asa, zavatra andavanandro; ary izany koa dia midika ho an’ny Eokaristia, ilaina amin’ny fiainana ao amin’i Kristy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
♦ Ao anatin'ny lalao hihaonany amin'i Comores ny Barean'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Vonona ny handresy ny Barea, hoy ny mpanazatra Me Rôrô... ♦ Alatsinainy mainty tamin'ny firehetana ny tao Antananarivo an-drenivohitra sy ny manodidina androany... ♦ Hirotsaka hofidiana no Ben'ny Tanàna ao amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ny mpanao gazety Andry Rakoto...
♦ Notontosaina omaly tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, Diôsezin'i Tsiroanomandidy, ny fanamasinana ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Manentana antsika mianakavy hanohy ny vavaka totoafo amin'ny fangatahana ny hanandratrana ho eo amin'ny laharan'ny olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa, ireo tompon'andraikitra mikarakara izany... ♦ Fivahinianana masina teny Berivotra no namaranana ny Filankevitra Pastôralin'ny Diôsezin'i Mahajanga omaly...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 5-11)
Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?
Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?
Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasaka sy lavenona,
dia izany va no antsoina hoe fifadiana,
sy andro ankasitrahan’ny Tompo?
Tsy izao va ny fifadiana tiako kokoa:
dia ny manapaka ny famatorana tsy an-andrariny,
ny mamaha ny fehezan’ny jioga,
ny mandefa ny ampahorìna ho afaka;
ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;
sy ny hampiantranoana ireo mahantra tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodi-lalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: Inty aho!
Raha esorinao tsy ho eo imasonao intsony ny jioga,
ny fanambanana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay;
sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;
ary hanome hery ny taolanao.
Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,
sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina;
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay.
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 26-31)
Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!
Fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy amin’ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
sy fahamasinana amam-panavotana antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:
izay mireharaha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, Aleloia.
Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy
toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco