♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...