♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...

Mizotra araka ny lamina namaritana azy amin'izao fotoana izao ilay fifaninana karakarain'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly ho an'ireo tantsaha mandraharaha amin'ny fihariana tantely voafantina ho amin'izany. Tanjona amin'ity fifaninanana ity moa ny hitiliana ireo tantsaha mendrika manana hetaheta ampiroborobo ny orinasany amin'izay fihariana tantely izay sy ahamatihaninna azy ireo amin'izay sehatr'asa izay...

♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...

Misy zava-miafina izay tsy takatry ny saintsika amin'ny fiainan'i Jesoa hoy ny Papa fa maneho ny maha-Izy azy manontolo azy. Ny vavak'i Jesoa dia mifono mistery lalina izay tsy voavinavinantsika. Mila an'i Jesoa ny olona rehetra, indrindra ireo mila fanasitranana na ara-batana na ara-panahy. I Jesoa dia miaraka mivavaka amintsika ary mitondra ny vavaka ataontsika any amin'ny Rainy, hazoantsika fahasoavana. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...

♦ Nidina ifotony nitafa tamin'ny mpivarotra sy ny tompon'andraikitry ny tsena eny Anosibe ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala, namantatra ireo olana misy ity farany... ♦ Miatrika kongresy eto Antananarivo ny sendikan'ny PARAMED SIS FM. Misy hoy izy ireo ny mozana tsindrin'ila ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ireo mpiasa manodina izany ministera izany... ♦ Mampiranty ny tetik'asa sy ny voka-pikarohan'ny mpianatra ao aminy eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny sekoly ambony polytechnique eny Vontovorona. Sekoly ambony efa namoaka injeniera maherin'ny 10.000 isa... ♦ Tondraka vokatry ny ora-mikija ny faritra maro any andrefan'i Inde...

♦ Handrotsaka kandidà ben'ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza ny FIVOY. Hitondra tohana ho an'ny tantsaha ao amin'ity kaominina ity izy raha toa ka lany Andriamatoa Andriatsoavina Onja Harilala... ♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ilay tetik'asa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy manan-kialofana ka matory amoron-dalana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin'ny omaly...

Olon'ny vavaka i Jesoa Kristy ary miantso antsika hivavaka matetika. Nivavaka foana izy na inona na inona niseho teo amin'ny fiainany : fanenjehana,  fankahalana, ny fanendrikendrehana, ny fanaratsiana, ny fanamelohana ho faty sns... Amin'ny andro sarotra lalovantsika eo amin'ny fiainana izay mahatonga fahadisoam-panantenana dia aoka isika hivavaka toa an'i Jesoa hoy Papa François. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena, sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ny tetikasa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy mana-kialofana fa matory an-dalana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina...

♦ Ara-dalàna ny didim-panjakàna manaika ny mpifidy handrotsa-bato amin'ny 11 desambra izao noho ny fanapahana avy amin'ny filan-kevi-panjakàna tsy maintsy hanaovana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ity taona ity. Fanazavana nataon'ny mpahay lalàna, Fanahimana Tiaray... ♦ Asa miandry ny governemanta mijoro ankehitriny ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka hoy ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha, Andry Vorisoa... ♦ Ministera miavaka ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina hoy ny Ministra Mara Volamiranty Donna nandritra ny lanonana fandraisana azy tamin'ny fomba ôfisialy nataon'ny mpiasa teny Anosy... ♦ Palestiniana miisa 10 no maty tany avaratr'i Cisjordanie nandritra ny fanafihana alina...

♦ Miandrandra asa mivainga amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala ny mponina hoy ny Fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakàna na ny Ong Tolotsoa... ♦ Nohamafisin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny Sekolim-panjakàna manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana vaovao ity. Tsy mandoa ny ampaham-bola karaman'ireo mpampianatra FRAM tsy mahazo tambin-karama ihany koa ireo ankizy amin'ny fianakaviana marefo... ♦ Mampihantrano dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny filohan'ny repoblika omaly ny delegasiôna avy amin'ny FEM...

Anisan'ny fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny fotoana nanaovana Batemy an'i Jesoa Kristy ; io seho teo amin'ny onin'i Jordany io dia mifandray amin'ny fiovan'i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitra. Ny vavaka nataon'i Jesoa teo amin'ny onin'i Jordany dia vavaka samirery. Mazava fa fanambaran'Andriamanitra ny Tenany ny seho nisy tamin'ny Batemin'i Jesoa sy ny fiovany tarehy, ary miaro vavaka ireny... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...