♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...