♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-7. 11-13)

Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo,
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra,
amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray izay Rain’izy rehetra,
ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.
Samy manana ny ambaratongany anefa
ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly,
ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy,
amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana
amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra,
mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Andeha hanaraka Ahy ianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe i Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana itý Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo,
ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:

‘Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona’;

fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 15, 12-20)

Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy,
ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan-ko velona?
Raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, na dia i Kristy aza tsy nitsangan-ko velona;
ary raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy,
dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo!
Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga
ny amin’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy ho velona,
nefa tsy natsangany Izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty.
Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona raha tsy mitsangana ny maty.
Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo;
mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.
Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra,
raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy;
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 16, 1. 6-7. 8b sy 15

Izaho, ry Tompo, hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.

Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ataovy re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!

Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo
an’izay mifefy amin’ny tananao!

Ambeno toy ny anakandriamaso aho,
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho, noho ny fahamarinako, hibanjina ny Tavanao,
hivoky amin’ny Endrikao raha mifoha.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy
sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 15, 1-11)

Izany àry no torìnay ary izany koa no ninoanareo.

Ry kristianina havana,
ampahatsiahiviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo,
izay noraisinareo sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena,
raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo;
afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra,
araka ny nandraisako azy:
maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;
ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo.
Manaraka izany dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy,
ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny,
fa ny sasany ihany no efa nody mandry.
Rahefa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra.
Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho,
dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.
Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho,
ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza,
satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho;
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy.
Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana
fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho;
na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Koa izany ary no torìnay, na izaho na izy ireo, ary izany koa no ninoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 117, 1-2. 16-17. 28

Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Valio, ry Tranon’i Israely!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo!
Naneho hery ny tanan’ny Tompo!
Tsy maty aho fa velona
mba hitanisa ny asan’ny Tompo!

Ianao no Andriamanitro
ka isaorako!
Ianao no Andriamanitro,
ka asandratro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe:

“Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”

Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:

“Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao.”

Dia hoy izy:

“Lazao, ry Mpampianatra.”

Ary hoy i Jesoa:

“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

Dia hoy i Simôna namaly Azy:

“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”

Ary hoy Izy taminy:

“Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:

“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony
satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”

Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Voavela ny helokao.”

Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:

“Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza?”

Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 31 — 13, 13)

Ireto telo ireto no mitoetra, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Ry kristianina havana,
ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy,
dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho,
nefa tsy manana ny fitiavana,
dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho,
ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra,
ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza,
raha tsy manana ny fitiavana,
dia tsinontsinona aho.
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra,
ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako,
raha tsy manana ny fitiavana aho,
dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy;
ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po;
tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;
manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana.
Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany,
ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra,
ary ny fahalalana dia hiato.
Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika;
ka rahefa tonga ny feno dia foana ny tapany.
Fony mbola zaza aho,
dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza;
fa nony lehilahy aho, dia nialako ny fanahin-jaza.
Ankehitriny dia mizaha amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava;
fa rahatrizay, hifanatrika;
ankehitriny, tapany no fantatro;
fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra;
ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana;
fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 12 sy 22

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hiravao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’ity taranaka ity, ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:
‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’
Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’
Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’
Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 12, 12-14. 27-31a)

Ianareo no vatan’i Kristy sy rantsam-batany.

Ry kristianina havana,
toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na olom-potsy;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.
Ianareo no vatan’i Kristy,
ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany:
voalohany Apôstôly;
faharoa mpaminany;
fahatelo mpampianatra;
manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana,
hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Moa Apôstôly izy rehetra?
Moa mpaminany izy rehetra?
Moa mpampianatra izy rehetra?
Moa manao fahagagana izy rehetra?
Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra?
Moa miteny teny samihafa tsy fantatra izy rehetra?
Moa mandika teny izy rehetra?
Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Vahoakany sy ondry fiandriny isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo.
Ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.

Fa Azy isika satria nohariany,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra.
Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.

Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe:

“Aza mitomany.”

Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa:

“Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.”

Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”

Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 11, 17-26. 33)

Raha misy fisarahana eo aminareo, dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo.

Ky kristianina havana, misy zavatra tsy iderako anareo,
dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.
Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo,
dia misy fisarahana eo aminareo;
ary mba misy inoako ihany izany,
satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo,
mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Ka raha miangona ianareo,
dia tsy mba ny fanasan’ny Tompo intsony no haninareo,
fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo,
ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo?
Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra,
ka sahy manome henatra ny tsy manana?
Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho?
Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa:
tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo,
ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe:

“Raiso ary hano, fa Vatako itý ho anareo;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.”

Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy:

“Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo.”

Koa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo,
dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana,
raha miangona ho amin’ny fanasana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17

Manambàra ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko!
Eny, ato anatin’ny foko
ny lalànao!

Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo
tsy akomboko ny molotro.

Fa hifaly sy hiravo aminao kosa
izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe:
“Lehibe ny Tompo!”

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy
ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:

“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe:

“Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe: ‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe: ‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe: ‘Ataovy izany’, dia manao izy.”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”

Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hamory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fifidianana eny Alarobia rahampitso ny CENI. Fotoana ifanakalozan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Tanimbary 7.000Ha no maina noho ny tsy fisian'ny rano any amin'ny lemak'i Bas-Mangoky.Simba ny foto-drafitr'asa any amin'ny "Prise Bevoay", ka itarainan'ny tantsaha... ♦ Olona 4 no maty vokatry ny faharendrehin'ny lakana nentin'izy ireo tao Imahasoabe, Distrika Vohipeno. Mbola tsy hita popoka izy 4 mirahavavy mianaka ireo hatramin'izao... ♦ Tsy mbola voatendry omaly indray ny Praiministra vaovao any Frantsa. Nolavin'ingahy Macron ny fanoloran'ny NFP an-dramatoa Lucie Castets ho lehiben'ny Governemanta...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 5-9a)

Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko.

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankaty amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
Ka iza no hanameloka ahy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 114. 1-2, 3-4, 5-6, 8-9

Mizotra ny lalako ampian’Andriamanitra ho any an-danitra any, fonenan’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
fa mandre ny feoko Izy:
ny sofiny atongilany
rehefa miantso aho.

Efa voarohin’ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony:
feno fahoriana sy alahelo
no niantso ny Anaran’ny Tompo.
“O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!”

Ny Tompo antra sy marina,
ny Andriamanitray
mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny!
Ny aiko nafahany tamin’ny fahafatesana.

Ny masoko nalany tamin’ny tomany,
ny tongotro tamin’izay nanfingana:
koa hizotra eo anoloan’ny Tompo aho
hatrany amin’ny tanin’ny velona!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 14-18)

Ny finoana raha tsy omban’asa, dia tena maty mihitsy.

Ry kristianina havana,
raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa,
inona no soa ho azony?
Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro,
ka ilazan’ny iray aminareo hoe:

“Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”,

nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany,
inona no soa azony amin’izany?
Mba toy izany ihany koa ny finoana,
raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy.
Hamaly koa ny olona hanao hoe:

“Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa.
Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa;
ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 27-35)

Ianao no Kristy... Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo
ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa Aho?”

Ary ireo namaly Azy nanao hoe:

“I Joany Batista, hoy ny sasany;
i Elia, hoy ny sasany;
ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Ianao no i Kristy”.

Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy
sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina,
fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
sady nataony mazava tsara ny filaza izany.
Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.
Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana,
satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao,
fa araka ny olombelona”.

Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...

Mandaitra ary tonga any amin'ny RAY ny vavaka ataontsika miaraka amin'i Jesoa Kristy. Ny zavatra niseho teo amin'ny fotoana lehibe nanaovana batemy an'i Jesoa teo Jordany dia vokatry ny fifantohana nataony nivavaka dia nipaka hatrany amin'ny RAY ary nanokatra ny lanitra ny vavaka nataony. Ny fankalazana ny Sakramenta ny Batemy dia ilana fifantohana satria tena vavaka io, hajaina ireo torolalana ara-litorijika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...