• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...