• Navesatra ny takaitra navelan'ny fanararaotana sy ny fandrobana nataon'ny andian'olona alina. Toeram-pivarotana lehibe maro no voaroba, nisy ny maty sy naratra ary ny voasambotra, vokatry ny hetsika fitakiana jiro sy rano... • Notapahan'ny OMC Nasionaly ny fampiatoana ny fampianarana ho an'ny Distrikan'Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe Voalohany, anio zoma. Tsy nihatra amin'ny ankapobeny, ny fanapahan'ny OMC Nasionaly, mandidy ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina... • Mitohy hatrany ny fanosihosena ny fahalalahan'ny mpanao gazety manao ny asany. Lasibatry ny daroky ny mpitandro ny filaminana indray mantsy omaly ny mpanao gazety nandrakotra ny vaovao...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...