Tena pitik’afo kely nandrehitra ny hatezeran’ireo niteny tsy nisy nihaino sy tofoka ninia nangina ny... fikitihana ireo izay saika hijoro amin’ny filàna fototra tsy nisitrahana maharitra. Tratry ny angaredona tokoa ireo telo mianadahy nanana fahasahiana nitarika daba mavo sy nivimbina labozia teny am-baravaran’ny lapa teny Anosikely ka toa nimpirimpirina ankolaka. Tsy sakana ho an’ireo efa niaritra haizina sy hetaheta... indrindra ireo efa leo nampanantenaina vahaolana isaky ny mandeha anefa izany.
Indreny fa nifoha tamin’ny torimasony ireo norefesin’ny mpitondra, nambaniana sy nakoraina ho vitsy an’isa teny amin’ny tambajotran-tserasera ka... tsy nanaiky lembenana fa nifanehatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana efa zatra niantrana sy nibahan-toerana teny an-kianja. Tsapa ho nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo nitroatra satria mantsy... aina ny rano, fahazavana ny jiro ary ain-dehibe tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’olona izany. Aro fanina lehibe tsy voahaja ny fifampihainoana ka nanjary lasa lavaka be nanelanelana ny fanetseman-tadiny izay nahazatra ireo nampindramina fahefana nifandimby. Na teo aza anefa ny fahasahiana teo amin’ireo nitonona ho Tarika iray mihira Z na GEN Z dia tsy afa-bela izy ireo, fa nisy ireo nievoka entona mandatsa-dranomaso, tao ny naratra ary nosamborina. Zary nahazatra ny fahanginan’ny tao afovoan-tanànan’Antananarivo rehefa antoandro, nanomboka ny alakamisy, satria tsy nitovy ny hery.
‘Ndeha atao hoe tamin’ny fony tokoa no nahatonga ireo tanora sy mpisintona lakolosy anaty Facebook teny an-kianja naneho ny heriny, kanefa voafetra ihany izany. Saonjo iray lohasaha tokoa tsy ilaozan’ireo mpanararaotra ary tsy namana ny alina ka nitsimbadika ny raharaha. Alina iray monja, nisesisesy ny fandrobana sy ny halatra ny tsy an’ny tena, ka babangoana vetivety narahana firehetana aza ireo orinasa sy trano lehibe fivarotana. Dia na teo aza ireo maty am-panararaotana noho ny tifitry ny mpitandro ny filaminana dia nisy ihany ireo mbola hikasa handroba. Rava ny tsena sasany, may ny tranon’olom-boafidy, lasibatra koa ny tsy manan-tsiny. Dia nifanondro-molotra teo... samy nitsetsetra hoe: an’iza ny tsiny ary iza no diso? Ireo tandroka aron’ny vozona mpiaro ny fananam-bahoaka, tsy nanaraka akory ny fepetra nihatra amin’ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ve? Toa nantenain-kanirina mantsy izy ireo kanefa vao mainka nihambambaha. Tao koa ireo nilaza fa vokatry ny fahazarana amin’ny fanomezana tolotra mora isam-bolana koa izao, ka nisy ireo tsy naka sarotra fa nanohy ny tanana zatra mitsotra. Fa raha handeha lavidavitra koa anefa ny Aroafanina, dia toa sadaikatra ihany hilaza hoe: tsy efa nisy moa ve izao fandrobana izao teo aloha? Fa nahay naka lesona ve isika? Valifaty koa ve sa tody, sa efa paikady amin’ny politika maloto?
Mbola ho tantara mitohy izy ity ka aleo samy haka ny andraikiny na dia efa samy nahazo ny anjarany aza. Ny mpandroba hihinan-kely tsy hahavoky amin’ny tsy nisasarana, ny orinasa sy ny mpiasa voaroba hitondra takaitra am-bolana maro indray, ny mpanao gazety mandrakotra ny vaovao moa voakasi-tanana, ny mpanao politika indray dia manomboka tsy hita na milaza hidina an-kianja aza. Toa am-bava ho azy ireo ny tena fitiavan-tanindrazana, ka tsy aleo ve manova famindra amin’izay. Ny vava tokoa no tsy atao be ny fiverenan’ny tahirim-peo no tsy laitra e! Teny kely naneho ny fahavononana hidina eny Ambohijatovo noho ny olan’ny jiro sy rano fony ivelan’ny fitondrana tokoa mantsy, no mba naverin’ny tanora zatovo ankehitrio ka nitsimbadika nampifangaro voraka ny zava-misy. Tsy sanatria mandatsa fa izay ilay ilaina aro fanina e! Hiarahan’ny maro nizaka maharitra mantsy ny rano mitsitaitaika anatin’ny alina maizina sy ny tsy fisian-jiro amin’ny tsy fahampian-drano, fa toa nety ihany anefa satria nandeha tsy nipipika ny jiro rehefa misy hetsika mafana. Zo fototra lehibe ny fisitrahana rano sy jiro ka toa nahay niray hina nanararaotra ny hoe koha-maina aza atao ireo mpanjifa ka lasa randran-tarihana manerana ny faritany ny fitakiana.
Tsy mbola tapitra ary tsy mbola voahaja akory ny tena fahalalahana maneho hevitra fa fangalam-piery mitohy sy tsy miova izy ity. Ny mpitandro ny filaminana mampihatra ny fahefana ananany tsy am-piheverana indraindray noho ny baiko. Ny mpanao politika mandrirotra any amin’ny zava-diso noho ny fikatsahana tombontsoa. Arofanina lehibe angamba ny fifampihainoana sy ny fihavanana. Tsy azo hamaivanina koa ny fijoroan’ny tanora, saingy tadidio fa tsy vao izao no nisian’izany tanora mijoro sy mitroatra izany. Aleo tsy atao mahazatra, rehefa misy hetsika, ny ra latsaka sy aina nafoy, fa zava-dehibe koa ny fametrahana aro fanina dia ny sofina mahay mifampihaino sy ny vava mahay mifampiresaka ary toerana hahafahana maneho hevitra. Raha hiotrika lava mantsy ny teny sy hevitra tian-kavoaka dia sarotra ny hahita aro fanina amin’izany satria... ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany... Aro fanina lehibe tokoa ny tena hiarahantsika rehetra miaiky fa fery sarotra tsaboina raha sanatria hiverina amin’ny andro hafa ilay hoe Alatsinainy mainty.