Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.
Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).
Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.
09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.
Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
♦ Nahena ny isan'ireo vatamiaramila handray anjara amin'ny matso, hanamarihana ny faha-60 taona niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ny 26 jona izao... ♦ Mila manova fomba fiasa ny fitondrana, amin'ny fanarenana ny ara-toe-karena eto Madagasikara, hoy ny firaisa-monim-pirenena Vohifiraisana... ♦ Hisy fifaninanana fandraharahana ho an'ireo mpianatry ny Oniversitem-panjakana, tafiditra anatin'ny pôlitikan'ny Governemanta hanarenana ny toe-karena ao aorian'izao krisy ara-pahasalamana izao...
♦ Niampy 42 indray ireo mararin'ny Coronavirus eto amintsika, 21 kosa anefa no sitrana... ♦ Nigadona teny Ivato omaly hariva ny fiaramanidina nitondra ireo vehivavy Malagasy 176 nisasa tany Koweit... ♦ Nanangana kitapom-bola iombonana na Basket Fund ny Vondron'ny mapandraharaha malagay na ny GEM, hanampiana ireo orinasa tra-pahasahiranana...
♦ Mahavelom-panantenana fa niampy 21 ireo olona sitrana soa ama-tsara, nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Tonga teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ireo vehivavy Malagasy miisa 176, nampodiana, niasa tany Koweit... ♦ Havaozina hifanaraka amin'ny zva-misy eto amin'ny firenena ilay Plan Emergence de Madagascar efa teo aloha hoy Andriamatoa Holijaona Raboana...
Alakamisy 11 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".
Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco