Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).

Maro ireo firenena afrikanina no mandany ny ankamaroan’ny vola miditra aminy amin’ny fanefana trosa amin’ireo mpampindram-bola iraisam-pirenena. Mampihena ny tetibolam-panjakana ilaina amin’ny fiahiana ny mponina ao aminy, toa ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana izany. Noho izany indrindra no nahatonga ny Arsevekan’i Ouagadougou, ny Kardinaly Philippe Ouédraogo izay filohan’ny SCEAM ankehitriny, nampahafantatra io antson’ny Eglizy afrikanina amin’ny tokony hanafohanana na hampihenana ny trosan’i Afrika io. Isan’ny navoitrany tamin’ny hafatra ho an’ny Pantekôty teo moa ny momba izany antso izany. Nomarihan’ny SCEAM fa ambany kokoa ny tahan’ny olona matin’ny covid-19 aty Afrika raha mihoatra amin’ny kaontinanta eraopeana sy amerikanina. Na izany aza anefa, mafy kokoa ny fiantraikan’io valanaretina io ho an’ny kaontinanta afrikanina, araka ny efa nambaran’ny Caritas iraisampirenena.   

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...