Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.

Ny tôkalo dia fifanosohan'ny tôkatôka sy ny tononkalo no niteraka io, izy ity dia miseho amin'ny endrika literatiora an-tsoratra sy am-bava miaraka ; ny tôkatôka dia lahabolana am-bava, ny tononkalo kosa dia literatiora an-tsoratra. Ny Pôeta Radialph avy any amin'ny Faritra Atsinanana (Vatomandry) no nipoiran'ity hai-famoronana ity. Tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy ity, anefa tsy maintsy mifanaraka amin'ny sehatra hisehoany.

Isany nampalaza ny Mpanjaka Andriambahoaka Afovoan'ny tany ny fisian'ny angano miresaka ny momba azy sy ny fifaninanana vokatr'izany satria teraka teo ireo ambara ho  Andriambahoaka-avaratra sy Andriambahoaka-atsimo. Ny lafiny ara-toe-karena no nifaninanana tamin'izany. Niavaka tamin'ny fitondrana ny vahoakany ihany koa Andriambahoaka noho izy nanaiky ny tolo-kevitra avy amin'ny mpanolontsaina, mpitondran-tenin'ny vahoaka. Andriambahoaka no nanambatra an'i Imamo efatra toko...

Andriambahoaka afovoan'ny tany dia zanaky ny Mpanjaka Andriambahoaka, nanjaka tao Imam, nandova ny fanjakàna izy ary nanana ny lazany. Nomena ny anarana hoe afovoan'ny tany izy noho ny lazany tamin'ny haranitan-tsaina niaraka tamin'ireo vahoaka notantaniny ; rehefa namantatra ny toerana misy ny fanjakàny i Andriambahoaka-II dia naniraka vahoaka nozarainy antoko roa ka ny antsasany nianavaratra ary ny ampahany faharoa nianantsimo, nasainy hitondra ranomasina sy zava-maniry amin'ny tany izay lalovany avy ireo, niara-tonga teo an-tanàna ireo iraka ka izay no nahafahany namaritra fa ivon'i Madagasikara no nisy ny fanjakàna ary io no niavian'ilay anarana fanampiny hoe "afovoan'ny tany"...

Ny teny ampiasaina ao amin'ny angano dia ireo mora takatra sy tsotra. Ny angano dia azo ampiarahina amin'ny fihetsika rehefa tantaraina ; ny renibe na ny reny no mpitantara angano. Ny angano dia mitory hanatra, maneho fitsipi-piainana, fanitsiana, fanakianana. Tantara foronina ny angano, mifandroy ny mpandray anjara ao anatiny ary mifanaraka amin'izany ny sehatra sy ny habaka itondrana ny tantara. Lahabolana mampiavaka ny Malagasy ny angano, karazana arofanina ho an'ny fiaraha-monina izy, manarina ny lesoka...

Fatra-pandini-javatra ny Ntaolo Malagasy, vokatr'izany fandinihan-javatr izany no amoahany ny ankamaroan'ireo fiheverana mbamin'ny fitsipi-piaina amam-pitondran-tena izay niteraka ireo kolontsaina nampiavaka azy ary mbola ifandovan'ny taranaka amam-para mandraka ankehitriny. Tsy mba nampiasa soratra nenti-nandrakitra ireny kolontsaina ireny anefa ny Malagasy fa tadidivava, isan'ny lahabolana nampitàna izany ny "Angano". Ny angano dia tantara misy fototra marina tany am-boalohany...

Misy fifandrifiany ny teny Malagasy ny teny Swahili, ary maro ireo porofo hita amin'ny anaran-toerana sy anaran'olona, mikasika ny fifandrohiana izay. Tamin'ny faritra avaratra-andrefana amin'ny nosintsika no tena nifanerasera tamin'ireo foko Bantou, ny teny Swahili anefa dia teny Arabo sy teny Bantou miaraka. Ireto anaran-toerana ahenoana teny Swahili Antanimasja, Amabibo, Ambatonakanga, Ambodivona,  Itaosy ; ireto no ohatra anaran'olona misy teny Swahili : Anja, Salama, Monja, Riziky, Jao, Seheno...

Ny Teny "kiswahili" dia efa nisy tamin'ny taonjato faha-10, nivelatra hatrany izy na teo aza ny tosika nentin'ny teny "Malais". Ny teny kiswahili dia fitambaran'ny teny Arabo sy ny teny Bantou. Ny Arabo no maro nandraharaha ara-barotra sy nivezivezy tamin'ny ilany Avaratra sy atsinanin'i Afrika. Maro ireo teny Malagasy no manandrify ny teny kiswahili (kamba ≈ Makamba, Nanasi ≈ Mananasy, Arahaba ≈ Miarahaba) Velona sy mivoatra ny teny Kiswahili, isan'ireny ny fampiasantsika Malagasy ny voambolana "FONJA" izay manana hevitra hoe fanidina amin'ny toerana iray, "FONGA" amin'ny teny Kiswahili...

Ramanetaka dia governora an'i Mahajanga tamin'ny andron'i Mpanjaka Radama. Raha araka ny tetiarana dia Printsy Malagasy amin'ny laharan'ny olona mandova fanjakàna avy amin'i Radama-I, izy satria zanaky ny Mpiray tampo amin'i Radama. Tsy nanana zanaka anefa ny Mpanjaka Radama, ny Mpanjaka Ranavalona-I no nandimby azy ka nampamono izay mety ho mpandova fahefana sy fanjakàna mba hanjakany ankalalahana, noho izany dia nitsoaka tao Comores i Ramanetaka. Rehefa niorom-paka sy nifanandrina tamin'ny tompom-pahefana tao Comores izy dia lasa Mpanjaka tao, nandray ny anarana Abdou-Raman...

Tamin'ny taona 1600 dia nisy zanaka vavin'ny mpanjaka tao Faradofay no nalain'ireo Frantsay ka noentiny tany La Réunion, niaraka tamin'ny olona 10isa, izay 7 lahy sy 3 vavy. Tamin'ny alalan'ny fanondranan'olona no nampifandray ny Nosy La Réunio sy Madagasikara voalohany tamin'ny alalan'ireo Frantsay, nahondrana ho andevo ny Malagasy tamin'izany andro izany ka ny fambolena Kafe no asa nampanaovina azy ireo. Maro ireo toerana ao amin'io nosy rahavavy io no mitondra anarana amin'ny teny malagasy : Mahafaty, Tampon(y). Ireo vanim-potoana ireo dia endrika niampitan'ny fomba amam-panao Malagasy any amin'ireo nosy rahavavy...

Ny Ampanjaka Toera dia mpanjakan'ny Sakalavan'ny Menabe, mpanjaka farany nialohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Isan'ny Ampanjaka nahery fo izy, izay nanohitra ireo mpanjanaka tamin'ny taona 1896. Ny taona 1897 no notafihan'ireo irak'i Jeneraly Gallieni, tao Ambika ny Ampanjaka sy ny vahoakany ary naripaka izy ireo ; notapahin'izy ireo ny lohan'ny Ampanjaka. Nentin'ireo mpanjanaka any ivelany ny lohany (KABESO) ka ao amin'ny Musé de l'homme ao Paris, ankehitriny...

Ny iray volan'ny teny Malagasy dia niatomboka tamin'ny 2 andron'ny teny Malagasy vao tonga amin'izao faharetany izao. Ireto telo ireto no novoizina hatramin'izay : ny teniko, ny taniko ary ny tantarako. Latsa-danja kokoa ny tantara hatramin'izay, fotoana hanandratana ny tantara izao ka ny tantaran'i Ratsitantanina, izay printsy avy eto Madagasika dia santionany. Ratsitantanina dia taranak'Andriamasinavalona, ny rainy dia Andriamambavola. Mpanolontsaina matsilo an'Andrianampoinimerina i Ratsitantanina, Mpitaritafika ihany koa izy...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...