Ny hay famoronana resahana eto dia ilay vokatry ny saina tia karokaroka nataon'ireo mpanoratra namorona anaran-dahabolana ankoatra ireo efa nisy. Ohatra amin'izy ireny : Tôkalo, Vaninkalo, Sôvaramita, Riankalo. Nisy ny olona namorona ireo voalaza ireo araka izao manaraka izao : Tôkalo noforonon'i Radialf, ny Vaninkalo dia Mhef Bloh, ny Sôvaramita dia asa sain'i Ra-Phi ary ny Riankalo dia an'i Ranoë. Ny Tôkalo dia fifamenoana eo amin'ny tôkatôka sy ny tononkalo ka nasiana fiverenana fehezanteny eny antsefatsefaky ny tononkalo ary ny mpanatrika no manonona an'ilay fiverenana isan'andininy. Ny Vaninkalo dia tononkalo mila vaniny amin'ny lafiny maro. Ny Sôvaramita dia sôva mingadona kidaombaramitakidaomità...
Ho fantsarana ny tontolon'ny fanabeazana, ho fanarenana ny fomba fampiasàna ny teny malagasy dia manao ny ezaka rehetra ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy niaraka tamin'ireo mpiara-miasa namoaka boky " ahitsiho ny diso", hanoroana sy hitondrana fanazavana mikasika voambolana maro. Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria miorina amin'ny fitsipika iray. Zary sakana ny tsy fahazoana ny hevitry ny teny iray raha tsy mazava ny tontolon'ny fifandraisana. Amin'ny tontolon'ny fanabeazana dia ireto no lafi-kevitra hiorenana : Mpanabe, Beazina, Sekoly na ny fiaraha-monina ary ny lehibe indrina dia ny Soatoavina...
Rehefa voahaja ireo dingana maro samihafa sy ny fomba isan-karazany mialoha sy aorian'ny fandevenana dia azo antoka ny fiovan'ny satan'ny olona maty iray ho "razana". Aorian'ny fialan'aina ho an'ny olona iray dia tsy maintsy ahirina ny masony, karakaraina ny vatany, izay tonga hatramin'ny fampandroana ny vatana mangatsiaka, fampiankajoana, ny fiandrasam-paty, ny famonosana ary ny fandevenana no mamarana azy. Ny Filofoana dia fanomezam-boninahitra ny olona maty. Ny tsentsin-doloha dia tsipaipaika ara-bola avy amin'ny mpiara-monina hiatrehana ny voina. Ny andro talata sy alakamisy dia tsy andro fandevenana ary ny ora mety dia ny aorian'ny mitatao vovonana...
Isa ny amon-tany ; roa aviavy ; telo fangady ; efa-drofia ; dimy emboka. Ireo voambolana manaraka ireo isa fandre andavanandro dia saika anaran-java-maniry, izay misy heviny avy. Ny amontana dia zava-maniry dia-teratany hazo midoroboka maitso mandavantaona, hazo lava-velona, aro rivotra, azo atao andry, hita amin'ny toerana misy ny andriamanjaka. Ny aviavy dia isan'ny fianakavian'ny amontana, izy ity dia taratry ny fahendrena fitomboana sy fandresena. Ny fangady dia zava-maniry fanao fanafody fa amin'ny isa malagasy dia fitaovana enti-miasa izy ; ny rofia dia midika ho fahitsiana sy fivelarana amin'ny hafa ; ny emboka dia hasina hifanomezana na ihany koa haja sy fankatoavana, soa hifampizarana...
Ny voambolana aorian'ny isa mahazatra dia mifono soatovaina daholo. Enina mangamanga, izany hoe midika ho hatsarana sy hasoavana ; fito paraky, misy hevitra hoe fikirizana sy finiavana ary fahaizana mandinin-tena ; valo tanantanana, ity farany ilay zava-maniry atao hoe "kinana" ny hevitra fonosiny eto dia ny firaisan-kina, fifanomezan-tanana ; sivy rongony, taratry ny fifamatorana sy fifandraisana eo amin'ny mpitondra sy ny hoentina, manasongadina ny hoe "antenimiera" ; Folo fanolehana na famolesana izay maneho fahaiza-miaina sy fifanitsiana eo amin'ny fiainana.
Ny sekolin'ny Ntaolo dia tsy nisy rindrina fa ny sekoly misy rindrina ankehitriny dia ny vahiny no nitondra azy. Ny Volana septambra 1818 no nisokatra ny sekoly voalohany teto Madagasikara ka tao Manangareza-Toamasina no nisy azy. Mpianatra miisa enina (06) no mpianatr'i Thomas Bevane sy David Johns. Ny vavahady nidiran'ny sekoly teto Madagasikara dia tao Toamasina, Taolagnaro. Ny satary sy ny heboro ary ny kalamo no fitaovana nampiasaina nentina nampitana fahalalana tamin'izany fotoana. Andriandramaka no mpanjaka nianatra voalohany indrindra. Ny LMS dia isan'ireo nitondra ny sekoly teo Madagasikara. Maro ny malagasy nanampahaizana ka isan'ireny, Andriamanilin'i Betsileo sy Andrianampoinimerina...
Ny endrim-panabeazan'ny Ntaolo dia niainga tamin'ny ankohonana ary nivelatra tamin'ny fiaraha-monina. Ny atao hoe "Ntaolo" dia ireo mponina taloha, nipetraka tan'ivon-tany. Ny andron'ny Ntaolo dia niatomboka teo amin'ny andro nitondran'i Mpanjaka Andriamanelo hatramin'ny fitondran' i Radama-I, izay nampiditra ny finoana kristiana teo Madagasikara. Hatreo dia nantsoina hoe Malagasy isika. Ny endrim-panabeazan'ny Ntaolo dia nanasongadina ny fanahy tahotra sy ny fahendrena. Misy sokajy araka ny taona ny fanabeazana tamin'ny andron'ny Ntaolo ka ny Renibe sy ny Reny no tena miantsoroka ny fanabeazana ny zaza. Ny toerana hanabeazana dia : eo amorom-patana, eo amin'ny fahitra, eny an-tokontanibe...
Sôva dia karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray amin'ny teny mirindra matetika miady rima. Ny foko Tsimihety sy ny Betsimisaraka-avaratra no tena tompon'ny Sôva. Lehilahy havanana sy efa manana fahaizana manokana ny mpiangaly sôva. Atao an-kavoriana ny sôva, mandritra ny fotoam-dehibe eo an-tanàna. Fanoritsoritana zavatra fahita sy iaraha-mahafantatra eo amin'ny fiainana an-davan'andro. Ny sôva dia ahitana fampitahana sy fitanisana : endrika na toetra ; hita amin'ny zavatra na biby. Tsy mitovy ny sôva, ny vakisôva, ny tandonaka, ny jijy, ny rija betsileo. Misy vehivavy antsoina hoe mpandrombo izay mandrisika an'ilay mpiventy... Ny lamako dia valanondranon'omby, fitaovana ilaina amin'ny sôva.
Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria fototra iray no iorenany ara-pitispika. Ny teny malagasy dia misy fiteny maro, izay mampiavaka ny isam-paritra. Ny malagasy iombonana dia ireo voambolana teraka tamin'ny taona 1972 mba ho ampiasaina, avy amin'ny sehatra isan-tsokajiny sy faritra maro. Ny malagasy ôfisialy dia tsy azo hadika hoe teny imerina fa ireo teny ampiasaina amin'ny fitondran-draharaham-panjakana. Ny malagasy ara-penitra dia ireo izay manaraka ny lasitra na fitsipika. Ny sehatr'asa isan-karazany dia samy manana voambolana teknika ; ohatra : ordonnance didim-pitsarana (Fitsarana) taratasim-panafody (Fitsaboana). Ny teny malagasy dia sokajiana ho "teny teratany".
Ny hain-teny dia iray amin'ireo lahabolana malagasy ; araka izany dia lahabolana ambava izy. Ny hain-teny dia teny an'ohatra voaravaka ohabolana, mampiseho fahaizana sy fahakingana, nampiasain'ny Ntaolo tamin'ny fananarana na nifamalian'ny tanora nanao resa-pitiavana. izy ity ihany koa dia fomba filazan-javatra ankolaka amin'ny alalan'ny fanovana anarana na endri-javatra, ary filalaovana voan-teny. Mety hiseho amin'ny endrika fananarana na fanehoam-pitiavana na fanebahana matetika ny hain-teny. Maro ireo dingana tokony ho lalovan'ny olona vao tonga amin'ny fahaizana hain-teny ; manomboka amin'ny ankamantatra ary mihafara amin'ny fahaizana ohabolana vao afaka miampita amin'ny fifehezana ny hain-teny.
Ny fototra niavian'ny teny malagasy dia maro, niainga tamin'ireo asa-karoka isan-karazany. Ny teny malagasy dia misy ifamatorany amin'ny zava-boary, ary tsy kisendrasendra izany, miainga amin'ny fiheverana malagasy ; ohatra ny hoe "mila ravinahitra", eo koa ireo voambolana hanondroina ny olona " hazon-damosina, ravin-tsofina, laingon-tarehy, tendro-molotra, voa maso...". Mifandray ny teny malagasy sy ny riba : ny fisian'ny tenim-pihavanana no mampiavaka ny teny malagasy izay teny tsy mivatambatana. Ny tantara sy ny jeografia dia isan'ny manamarina ny fisian'ny loharano maro niavian'ny teny malagasy ; ara-tantara teo amin'ny frantsay sy ny anglisy, ara-jeografia dia toerana heverina ho seranana i Madagasikara ka tafiditra teto ny tenim-pirenena maromaro.
Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco