Ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia ireo manana ray sy reny, samy mbola velona na misara-toerana aza. Ara-tantara dia hatramin'ny nanjakan'Andriamanelo, nandalo tamin'ny fitondran'Andriamasinavalona ary hatramin'ny nanjakan'Andrianampoinimerina, no nisy sy nanana ny lanjany ary ny voninahiny ombana hasina ny "velon-dray aman-dreny"...

Satria  mba ho mpisantatra zavatra maro izy ireny sy ho fanatanterahana fomba iray ; ohatra ny fanorenana trano sy ny ady fototra. Ny hevitra azo takarina amin'ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia fisantarana, fahazavana, fahavanonana, fanambinana, fahatsarana. Misy isa arahina rehefa mampandray anjara ny "velon-dray aman-dreny", dia olona miisa fito ampitomboina roa, na fito na dimy, izay midika ho isa fahafenoana, firindram-piainana. Raha tsy feno fa mandringa ny fananana ireo ray sy reny, na maty ny iray dia io ilay atao hoe "velomiafy", ireto farany dia afaka misanta-javatra raha tena tsy misy intsony ny velon-dray aman-dreny.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...