Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.

Daty izay arahin’ny Fiketrahana Masina noho ny fandalàny sy ny fanajany ny ranomasina izay sokajiana ho vakoka iombonan’ny taranak’olombelona. Tamin’ny taona 1992, nandritra ny fanatanterahana ilay Fihaonana an-tampony momba ny Tany, natao tany Rio de Janeiro any Brésil no nanombohan’ny fanamarihana io datin’ny 8 jona io. Tanjona ny hanomezana lanja ny ranomasina sy hanentanana ny mponina amin’ny fanajana izany noho izy manana andraikitra goavana amin’ny fiveloman’ny olombelona. Zavadehibe ny fanajana ny ranomasina noho ny fisian’ireo zavamanan’aina samihafa ao aminy. Zavamanan’aina izay mitondra vokatsoa ho an’ny olombelona, toa ny « protéines » avy amin’ireo hazandrano samihafa, azon’ny mponina miisa 3 tapitrisa sitrahana. Ankoatra izay, misintona ny 30% -n’ny entona CO2 vokarin’ny olombelona ny ranomasina ary mampihena ny fiantraikan’ny antsoina hoe: « gaz à effet de serre » amin’ny toetany sy ny fihafanan’ny tany. Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fiketrahana Masina noho izany ny fiarovana ny ranomasina.  

 

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...