♦ Mitaky ny hametrahana ny filankevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina, ny vondron'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Lasa 300 tapitrisa Dolara ny vola hanampian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny fanarenana ny orinasa Jirama... ♦ Ny fahazoana loharanom-bola enti-mihetsika sy ny lalam-barotra matetika, no mbola sakana lehibe ho an'ireo te handraharaha eto Madagasikara...
♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...
Talata 22 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11
Alatsinainy 21 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4
Alahady 20 nôvambra 2022 — I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 35-43
Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.
♦ Miisa 35 ireo olona hiatrika fitsarana adiheloka bevava anio, manoloana ny raharaha namonoana an'Itompokolahy Rakotoarisoa Henri, mpilatsaka antsitrapo sy mpanao fanairana momba ny tsindry mihatra amin'ny harena voajanahary any Ankazondandy... ♦ Nihaiky ny Pôlisim-pirenena fa ny nisy pôlisy voatonontonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy Inspecteur des impôts, teny Imerinkasinina... ♦ Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'ny Fitantanana Iraisam-paritry ny Bianco eto Antananarivo, tamin'ny taon-dasa...
♦ Nitatitra ny asa vitany tamin'ny taon-dasa ny Bianco Antananarivo. Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'izy ireo, ary vola 16 miliara Ariary no tsy maintsy nogiazana... ♦ Nanazava ny momba ilay fidangan'ny hetran-trano alainy, izay niteraka resabe, androany ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Kaominina Antananarivo... ♦ Nisy pôlisy voatonotonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy mpanara-maso ny hetra, teny Imerinksainina...
♦ Manentana ny olom-pirenena handala ny kolontsain'ny fihavanana sy ny fifampiresahana ny Filohan'ny CEM teo aloha Maka Alphonse... ♦ Tompon'antoka amin'ny tsy fandriam-pahalemana misy ankehitriny ny prefet sy ny lehiben'ny distrika hoy Andriamatoa solonavalona Paolo Raholinarivo. Tsy tokony ahilika any amin'ny mpitandro filaminana ny rihatra... ♦ Mampiantrano ny fivoriana ho fanitsiana sy fanatsarana ny paik'ady hitantanana ireo zavaboahary amin'ny fari-dranomasin'i Afrika Atsinanana i Madagasikara. Fihaonana tanterahana eto Antananarivo... ♦ Nanambara ny maha kandidà azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2024 i Donald Trump...
Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
♦ Tombanana 4,9% ny tahan'ny fiakaran'ny harin-karena faobe amin'ny herintaona. Ampelan-tanan'ny solombavambahoaka avokoa moa ankehitriny ny rijan-teny rehetra momba ny volavolan-dalàna mifehy ny fintantanam-bolam-panjakàna 2023... ♦ Natomboka tao Ankaramena any amin'ny Faritra Anosy ny fizaràna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha mpamokatra. Fepetra ampiharin'ny fitondram-panjakàna hanampiana ny tantsaha hamokatra sakafo misimisy kokoa... ♦ Tokony hatao mialohan'ny fifidianana ny dinika hisorohana ny tsy fitovain-kevitra amin'ny fanantanerahana ny fifidianana ho ny firaisamonim-pirenena. Izy ireo izay miatrika ny seminera havoria eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely...
♦ Tombanana hiakatra 4,9% ny tahan'ny harin-kareny faobe eto Madagasikara amin'ny taona 2023, araka ny voafaritra anatin'ny volavolan-dalana hifehy ny tetibolam-panjakana. Efa nivoaka ireo vinavina ara-toekarena voarakitra ao anatin'izany... ♦ Mandinika ny raharaham-pirenena amin'ny alalan'ilay sehatra Havoria ny firaisamonim-pirenena manomboka androany, ka hatramin'ny zoma izao. Dinika handresena lahatra ireo mpanapa-kevitra eto amin'ny firenena... ♦ Hitadiavana paikady ny tondra-drano isam-pahavaratra an-drenivohitra sy ny manodidina...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco