Ny Fulgence tsarovana amin'izao 14 janoary izao dia ilay hoe Fabius Claudius Gordianus Fulgentius, teraka avy amin'ny fianakavian'andriana tamin'ny taona 458 tao Fériana ao Tunisie izy. Mbola kely izy no nisaraka tamin'ny rainy ka ny reniny no nanabe azy.

Nandalina momba ny haiteny sy ny haisoratra grika sy latina izy. Nandalina ihany koa ny lalàna izy ary niasa tao amin'ny fitsarana. Teo amin'ny faha-22 taonany dia voatendry ho "Procurateur de la Province romaine" izy, izany hoe lehiben'ny famorian-ketra tao Byzacène. Izy moa dia olona malemy paika, ka rehefa nasaina nanao io asany io dia nangata-pialana. Nandeha nitsidika ny trano fitokana-monina naorin'i Masindahy Augustin izy, izay niroborobo fatratra tokoa tamin'iny faritr'i Afrika iny. Tamin'izany no naniriany ny fiainan'ny mpitoka-monina. Matetika izy no manirery ka tamin'izany no niomanany hanohy ity làlan'ny fiainan'ny mpitoka-monina ity. Nanandrana ny hanova hevitra azy ny reniny, tamin-dranomaso sy tamim-bavaka ihany koa, nefa tsy niova hevitra izy fa lasa niditra tao amin'ny ankohonam-piainana nisy an'i Faustus, eveka.

Niainan'i Fulgence ny fifadian-kanina ka na dia marary mafy aza izy, dia tsy te hihinan-kena mihitsy na hisotro divay. Rehefa miverina ny fahasalamany ary ambaran'ny mpitsabo fa tokony hisotro divay mba hampiverina ny tanjany dia tapohany rano izany. Ny taona 490 dia nisy ny fanafihana nataon'ireo Vandales tamin'iny faritanin'i Afrika iny, sy ny fanenjehana nataon'ny ariens ihany koa dia lasa nandositra i Fulgence. Nandeha nihataka tany amin'ny trano fitokana-monina izy, izay i Félix no lehiben'ny trano tamin'izany, ka io no nanome azy ny fitantanana io ankohonam-piainana io nefa nolavin'i Fulgence izany ka nifampizara raharaha izy mirahalahy ireto.

Dia nisy indray ny fanenjehana nataon'ireo Numides, ka rava tanteraka ny tanàna. Tsy maintsy niala tao amin'ny trano fitokana-monina izy ireo ary lasa nihalokaloka tany Sicca Veneria. Nisy pretra arien anankiray nifanolo-bodirindrina tamin'izy ireo nahalala fa nampianatra momba ny Eokaristia izy mirahalahy ireto ka nisambotra azy ireo sy nanameloka azy mba hokapohana mafy dia mafy. Tsy nihonona tamin'izany fampijaliana izany anefa izy ireo fa mbola nesorin'izy ireo ihany koa ny volony sy ny volom-bavany vao navelany izy mirahalahy ireto. Tezitra noho ny nataon'ireto pretra ny eveka ka nasainy nosazian'i Fulgence ireo pretra nefa hoy i Fulgence hoe: "Tsy mahazo mamaly faty ny kristianina". Nanapa-kevitra àry i Fulgence fa ho any Egypte izay toerana misy ireo mpitoka-monina izay tena hentitra amin'ny fitondran-tena. Nihazo an'i Sicile izy ary niova hevitra handeha ho any Rome, tamin'izay fotoana izay no nahitany tao Palma Aurea, ny fametrahana ny Théodoric mpanjakan'i Italie, tamin'ny faran'ny taona 500.

Niverina tany Afrika i Fulgence avy eo ka voafidy ho eveka tao Ruspe, any Tunisie. Nanorina trano fitokana-monina izy ary nampihariny tamin'izany ny fitsipi-piainana tany am-boalohany izay naorin'i Masindahy Augustin, na tamin'ny fanamiana na tamin'ny sakafo. Ho azy ohatra dia tsy nanana afa-tsy akanjo tokona izy, na ririnina na lohataona, ary tsy nisy marika nahafantarana azy ho eveka. Amin'izany akanjony izany dia eny am-balahany hatrany ny hetra vita amin'ny hoditra. Madeha an-tongotra hatrany izy amin'ny toerana rehetra alehany. Rehefa manolotra ny Sorona Masina izy, dia tsy mba misy fitaovana mirenty toy ny volamena na ny landy eo amin'ny ôtely fa dia ny fanamiana tsotra no entiny manolotra ny Sorona Masina. Zara raha matory i Fulgence, ary raha mba miala sasatra aza izy dia eo ambony ravin-kazo no mitsotsotra.

Tamin'ny taona 508 dia namoaka lalàna henjana ny mpanjaka arien Thrasamund, ka nandefa an'i Fulgence an-tsesitany tany Sardaigne niaraka tamin'ireo eveka maromaro tao Afrika. Ny 11 oktobra izy no tonga tao Cagliari niraka tamin'ireo reliques an'ireo olomasina izay efa nalain'izy ireo talohan'ny nandehanany. Rehefa maty io mpanjaka Thrasamund io dia naverin'ny mpanjaka Hildéric tany Afrika indray i Fulgence ny taona 522. Noraisina tao Carthage izy, ary toy ny mpandresy no nandraisan'ireo mpino katôlika azy tao ka nandritra ny folo taona no nitantanany an'ireo ondriny tao amin'ilay diosezin'i Ruspe efa nanendrena azy tamin'ny voalohany. Herintaona talohan'ny nahafatesany dia najanony ny andraikitra maha eveka azy. Lasa nitoka-monina tany amin'ny nosy antsoina hoe Circinia izy, any Tunisie. Fa taoriana kelin'izay dia niverina indray tany Ruspe izy ka tao izy ny narary mafy. Nandritra izany aretiny izany no nivavahany hoe: "Tompo ô, omeo ahy ny faharetana ety ambany ary ny famindram-po any ambony". Tamin'izany no nanomezany baiko ny hizarana ny ho an'ny mahantra ny vola rehetra tao amin'ny Fiangonana, ary ho y izy tamin'ireo rahalahiny talohan'izy hiala aina hoe: "Tamin'ny fotoana nikarakarako ny fanahinareo, raha ohatra niseho ho hentitra sy masiaka aho dia mangataka ny famindram-ponareo". Ny taona 533 moa izy no nodimandry tamin-dranomaso sy fitalahoana teo amin'ny faha-75 taonany ary faha-25 taona naha eveka azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...